"Ho famantarana amiko sy amin'ny Zanak 'Isiraely mandrakizay izany; fa tamin'ny henemana no nanaovan 'i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin'ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra." - Eks. 31:17.
Mofon’aina:
Tsy hanao tsinontsinona ny Tenin'Andriamanitra tahaka izay ataony ankehitriny ny lehilahy sy ny vehivavy raha toa manaiky ilay Sabata marina. Ho rojo volamena mampifamatotra azy amin'ny Mpamorona azy ny fitandremana ny andro fahafito. Tsy omen-kaja no sady dikaina anefa ny didy izay manondro ny toetr 'ilay Andriamanitra marina — ilay Mpamorona no sady Mpifehy ny tany. Izany no antony tsy mampisy filaminana eto amin'izao tontolo izao. Nanosi-bohon-tanana ny famantarana napetrak'Andriamanitra ny fiangonana ary naneho ny Toetrany tamin'ny fomba diso. (...) 0! Enga anie ny 1 ehilahy sy ny vehivavy hitsahatra tsy hampisaraka ny tenany amin'ny lanitra amin'ny fitondrantena ratsiny intsony! • MR 5:82.
Nodikaina ny lalan' Andriamanitra ka miantso vahoaka iray Izy mba hanarina izany fandikan-dalana izany. (...) Tsy ho ela, dia hisy lalana holanina izay hanery ny rehetra hitandrina ny andro voalohany amin'ny herinandro eo amin'ny toeran'ny andro fahafito. Tsy maintsy hiatrika izany zava-tsarotra izany isika ary ho tojo olana, na dia tsy mandranitra ady amin'ireo izay mitonona ho mitandrina ny didin'Andriamanitra aza. - MR 5:82, 83.
Atao eo anoloantsika ireo teny mazava ireo [Eks. 31:16, 17], koa iza amin'izay mahalala ny fahamarinana no ho sahy hanao tsinontsinona ny lafin-javatra mampiavaka ny finoantsika? Toe-javatra iray mifono fahamarinana ny nanaovan' i Jehovah Tompo an' izao tontolo izao tao anatin'ny henemano. sy ny nitsaharany tamin'ny andro fahafito ka tokony hotorina amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena ary ny samihafa fiteny sy ny olona rehetra. (...)
Famantarana amin'Andriamanitra sy ny olony ny Sabata, ary koa porofon'ny fahalemem-panahiny sy ny famindrampony ary ny fitiavany; marika mampiavaka ny vahoakany amin' ireo mpivavaka sandoka rehetra eto amin'izao tontolo izao izany. Ary Andriamanitra mihitsy no nivoady fa hitahy azy ireo noho ny fankatoavany, naneho taminy fa Izy no Andriamanitr'izy ireo ary koa nanorina fifandraisam-panekena taminy no sady hanatanteraka ny teny fikasany amin'izay rehetra mankato. - MR 5:84.