Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mampahatsiahy andro iray ara-bakiteny ny Sabata.

Daty
Alakamisy 22 May 2025

 "Mahagaga ny fikotrokotrok'Andriamanitra amin'ny feony; manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy." - Jôba 37:5.

Mofon’aina:
Rehefa nanonona ny lalàny tamin'ny feo mafy teo Sinay Andriamanitra, dia toy izao ny teny nampidirany ny momba ny Sabata: "Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy." Rehefa izay dia nambarany mazava izay tokony hatao amin'ny henemana sy izay tsy tokony hatao amin'ny andro fahafito. Nomeny avy eo ny antony tokony hitandremana ny herinandro araka izany, ka nampahatsiahiviny ny ohatra nasehony tamin'ny herinandro voalohany indrindra. "Fa henemana no nanaovan'i Jehôvah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbarnin 'izay rehetra  ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehôvah ny andro Sabata sy nanamasinany azy." - Eks. 20:11. Manjary maha-te ho tia sy manan-danja ireo antony ireo rehefa takatsika fa andro ara-bakiteny no resahiny ao amin'ny tantaran'ny Famoronana. Natokan' Andriamanitra ho andro fitsaharana ny andro fahafito ho fahatsiarovana ny nitsaharany tamin'ny fotoana tahaka izany koa rehefa vitany ny asa famoronana nandritra ny enina andro.

Mamely mivantana ny fanorenan'ny Sabatan'ny didy fahefatra ny petra-kevitry ny tsy mpino izay milaza fa fotoana fito naharitra sy tsy voafaritra no nilaina mba hahatanteraka ireo toe-javatra niseho tao anatin'ny herinandro voalohan'ny famoronana. Mahatonga ny zavatra nasehon'Andriamanitra mazava ho manjavozavo izany. Izany no tsy fahatokiana ratsy indrindra, satria hita eo amin'ireo marobe izay milaza ho mino ny tantaran'ny Famoronana. Miampanga an'Andriamanitra ho mibaiko antsika hitandrina andro fito ara-bakiteny ho fahatsiarovana fotoana izay tsy voafaritra fito izany, kanefa tsy tahaka izany ny fifandraisan'Andriamanitra amintsika, ary fitenenan-dratsy ny Fahendreny izany. (...)

Nomena mba ho fanilon'ny tongotsika sy fanazavana ny lalantsika ny Tenin'Andriamanitra. Ho tafintohina ao amin'ny maizina ireo izay manary ny Tenin'Andriamanitra ka mikatsaka ny hamantatra ireo zava-miafin' i Jehôvah amin'ny alalan'ny filôzôfiany feno fahajambana. Efa nomena ny olona mety maty ny tari-dalana mba hahafantaran'izy ireo ny asa nataon'Andriamanitra araka izay mahasoa azy. Nohazavain'ny tsin-drimandrin'Andriamanitra tamin'ny nanomezany antsika ny tantaran'ny Safodrano ireo zava-miafina mahatalanjona izay tsy ho hain'ny haibolantany hazavaina samirery. - ST, 20 Marsa 1879. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (41)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal