Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny Sabata, notandremana fahiny ary mbola tandremana

Daty
Alahady 25 May 2025

«Matahora an 'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan 'izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.» «Indro ny faharetan 'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin 'Andriamanitra sy ny finoana an 'i Jesosy.» - Apôk. 14:7,12.

Mofon’aina:
Toy izao no ampibaribarian'ny mpaminany ny didy izay navela: "ary izay taranakao no hanangana ny efa raya ela, ary ny naorina hatry ny fahagola no hamboarinao; ary ianao dia hatao hoe: Mpanamboatra ny raya, mpamelon-dalana honenana amin'ny tany. Raha miaro ny tongotrao amin'ny Sabata ianao ka tsy manao izay tianao amin 'ny androko masina, ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana, ary ny nohamasinin'i Jehovah hoe Mendrika hohajaina ka manome voninahitra azy ary tsy mandeha amin'ny lalanao na manao izay tianao, na miteniteny foana, dia hiravoravo amin'i Jehovah ianao." — Isa. 58:12,13 (...)

Ny Sabata izay nohamasinin'ny fitsaharan'ny Mpamorona sy ny fitahiany dia notandreman'i Adama fony izy tsy nanan-tsiny tao amin'ny Edena masina; ary mbola notandreman'i Adama koa rehefa lavo izy nefs nibebaka, ka voaroaka hiala taurin' ilay toeram-pahasambarana nisy azy. Notandreman'ireo patriarka rehetra izany (...) Fony babo tany Egypta ny vahoaka voafidin' Andriamanitra dia betsaka no tsy nahatana intsony ny fahalalana ny lalàn'Andriamanitra teo anivon'ny fanompoan-tsampy izay nanjaka; fa nanafaka ny Isiraely kosa Jehovah, dia nambarany tamin'ny fomba manetriketrika indrindra tamin'ny vahoaka marobe tafavory ny lalàny, mba hahafantaran'izy ireo ny sitrapony ka hatahorany sy hankatoavany Azy mandrakizay.

Hatramin'izay andro izay ka mandraka ankehitriny dia voatahiry teto an-tany ny fahalalana ny lalàn'Andriamanitra, ka notandremana ny Sabatan'ny didy fahefatra. Na dia nahomby aza «ilay lehilahin'ota» tamin'ny fanitsakitsahana ny andro masin'Andriamanitra, dia nisy fanahy niafina tany amin'ny fitoerana mangina izay nanaja ny Sabata na dia tamin'ny fotoana nananany ny fahefana faratampony aza. Hatramin'ny fanavaozana ara-pivavahana no ho mankaty dia nisy olona nitozo tamin'ny fitandremana azy isan-taranaka nifandimby. (...)

Ireo fahamarinana ireo, (...) dia hampiavaka ny fiangonan'i Kristy amin'ny fotoana hisehoany. Izao mantsy no voalaza ho vokatry ny fitoriana ireo hafatra telo sosona: «Indro, ny faharetan'ireo izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an' i Jesosy». (...) —HM, tt. 466,467. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (30)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal