Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tandrovy ny tempoly, dia ny tenanao

Daty
Alahady 11 February 2024

"Tsy fantatrareo va fa tempolin' Andriamanitra hianareo, ary ny Fanahin 'Andriamanitra mitoetra ao anatinareo?" - 1 Kôr. 3:16.

Nomen'Andriamanitra trano fonenana ianao hokarakaraina sy harovana amin'ny ratsy mba hahavitany tsara ny asany ho voninahitry ny Tompo. Tsy ianao no tompon'ny tenanao (...). "Tsy fantatrareo va fa tempolin' Andriamanitra hianareo, ary ny Fanahin' Andriamanitra mitoetra ao anatinareo?"

Fitahiana ny fahasalamana, ary vitsy ihany no tena mahafantatra ny tombany (...). Zava-masina nankinina tamintsika ny fiainana, ary Andriamanitra irery ihany no ahafahantsika miaro sy mampiasa izany ho voninahiny. Hikarakara manokana sy hitahiry ny vatana ho salama tsara Ilay namorona sy nanamboatra ny firafiny raha toa ka tsy miasa manohitra izany ny olombelona. Hanampy antsika Izy amin'ny fampitomboana sy ny fampiasana ny talenta rehetra nomeny antsika, mifanaraka amin'ny sitrapon'Ilay Mpanome.

Fotoana fikolokoloana fahazarana tsara ny fahatanorana, fanitsiana ireo fahazaran-dratsy ananana, fianarana mifehy tena, fanaovana drafitra, ary fambolena fahazarana mandamina sy mandrindra ny asa rehetra eo amin'ny fiainana araka ny sitrapon' Andriamanitra.
Ny vatana, tempoly masina, dia tsy maintsy tehirizina ho madio sy tsy voaloto, mba hahafahan'ny FanahyvMasina mitoetra ao anatiny. Mila miambina ny fananan'ny Tompo amim- pahatokiana isika satria izay rehetra mety manimba ny herintsika dia manafohy ny andro tokony hampiasaintsika ho voninahitr' Andriamanitra. Aoka ho ao an-tsaintsika mandrakariva fa tsy maintsy atokantsika ho an' Andriamanitra ny zavatra rehetra ny fanahy, ny vatana, ary ny saina. Fananana novidiny avokoa ireo rehetra ireo ary tsy maintsy ampiasaina amim-pandanjalanjana tsara, mba hahazoantsika mitahiry ny fiainana, izay talenta nomena antsika. 

Ny fampiasantsika ny herintsika rehetra araka ny tokony ho izy amin'ny zavatra mahasoa indrindra, amin'ny fitehirizantsika ny taova rehetra ho salama tsara, amin'ny fiarovana izany taova izany mba hahazoan'ny saina sy ny fitatitra ary ny ozatra miara-miasa amim-pirindrana, no ahafahantsika manatanteraka ny fanompoana tsara indrindra ho an' Andriamanitra.

Rehefa manao izay rehetra azontsika atao isika mba ho salama, dia mahazo manantena fitahiana ho vokatr'izany, ary azontsika atao ny mangataka amim- pinoana amin' Andriamanitra mba hitahy ny ezaka ataontsika eo amim- pitandroantsika ny fahasalamantsika. MLT, t. 134.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (49)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal