Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tandrovy ny tempoly, dia ny tenanao

Daty
Alahady 11 February 2024

"Tsy fantatrareo va fa tempolin' Andriamanitra hianareo, ary ny Fanahin 'Andriamanitra mitoetra ao anatinareo?" - 1 Kôr. 3:16.

Nomen'Andriamanitra trano fonenana ianao hokarakaraina sy harovana amin'ny ratsy mba hahavitany tsara ny asany ho voninahitry ny Tompo. Tsy ianao no tompon'ny tenanao (...). "Tsy fantatrareo va fa tempolin' Andriamanitra hianareo, ary ny Fanahin' Andriamanitra mitoetra ao anatinareo?"

Fitahiana ny fahasalamana, ary vitsy ihany no tena mahafantatra ny tombany (...). Zava-masina nankinina tamintsika ny fiainana, ary Andriamanitra irery ihany no ahafahantsika miaro sy mampiasa izany ho voninahiny. Hikarakara manokana sy hitahiry ny vatana ho salama tsara Ilay namorona sy nanamboatra ny firafiny raha toa ka tsy miasa manohitra izany ny olombelona. Hanampy antsika Izy amin'ny fampitomboana sy ny fampiasana ny talenta rehetra nomeny antsika, mifanaraka amin'ny sitrapon'Ilay Mpanome.

Fotoana fikolokoloana fahazarana tsara ny fahatanorana, fanitsiana ireo fahazaran-dratsy ananana, fianarana mifehy tena, fanaovana drafitra, ary fambolena fahazarana mandamina sy mandrindra ny asa rehetra eo amin'ny fiainana araka ny sitrapon' Andriamanitra.
Ny vatana, tempoly masina, dia tsy maintsy tehirizina ho madio sy tsy voaloto, mba hahafahan'ny FanahyvMasina mitoetra ao anatiny. Mila miambina ny fananan'ny Tompo amim- pahatokiana isika satria izay rehetra mety manimba ny herintsika dia manafohy ny andro tokony hampiasaintsika ho voninahitr' Andriamanitra. Aoka ho ao an-tsaintsika mandrakariva fa tsy maintsy atokantsika ho an' Andriamanitra ny zavatra rehetra ny fanahy, ny vatana, ary ny saina. Fananana novidiny avokoa ireo rehetra ireo ary tsy maintsy ampiasaina amim-pandanjalanjana tsara, mba hahazoantsika mitahiry ny fiainana, izay talenta nomena antsika. 

Ny fampiasantsika ny herintsika rehetra araka ny tokony ho izy amin'ny zavatra mahasoa indrindra, amin'ny fitehirizantsika ny taova rehetra ho salama tsara, amin'ny fiarovana izany taova izany mba hahazoan'ny saina sy ny fitatitra ary ny ozatra miara-miasa amim-pirindrana, no ahafahantsika manatanteraka ny fanompoana tsara indrindra ho an' Andriamanitra.

Rehefa manao izay rehetra azontsika atao isika mba ho salama, dia mahazo manantena fitahiana ho vokatr'izany, ary azontsika atao ny mangataka amim- pinoana amin' Andriamanitra mba hitahy ny ezaka ataontsika eo amim- pitandroantsika ny fahasalamantsika. MLT, t. 134.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal