Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Eken'ny Tenin'Andriamanitra ny fianianana eo amin'ny fitsarana 

Daty
Alahady 15 June 2025

"Aza manangan-tsaho foana. Aza mifandray tanana amin'ny ratsy fanahy ho vavolombelona mampidi-doza." -Eks. 23:1.

Mofon’aina: 
Naseho ahy fa mbola miditra an-tsehatra amin'ny lalàn'ny tany Andriamanitra. Tsapan' ireo mpitondra sy ny vahoaka ny Fanahin'Andriamanitra mifehy ny toe-javatra, raha mbola ao amin'ny fitoerana masina i Jesosy. Mifehy amin'ny ampahany betsaka ny vahoaka eto an-tany anefa i Satana, ary .raha tsy nisy ny lalàm-panjakana dia ho fahoriana be no niainantsika. Naseho tamiko fa amin'ny fotoana ilana izany, ary rehefa antsoina hijoro ho vavolombelona ara-dalàna ny zanak'Andriamanitra, dia tsy fandikana ny Tenin'Andriamanitra ny fianianan'izy ireo hiantso an' Andriamanitra ho vavolombelona ny amin'ny filazany ny marina ary ny marina irery ihany. (...)

Tsy matahotra ny handainga (...) ny lehilahy sy ny vehivavy sasany; nefa nampianarina azy ireo (...) fa zava-mahatahotra ny fandaingana amin' Andriamanitra. Nomena ho ohatra amin' izany ny momba an'i Ananiasy sy i Safira. Nentina avy teo amin'ny olona hankeo amin'Andriamanitra ny toe-javatra, koa raha mijoro ho vavolombelona mandainga ny olona iray, dia tsy amin'ny olona no anaovany izany fa amin' ilay Andriamanitra lehibe izay mamaky ny ao am-po sy mahalala ny marina (...) rehetra. (...)

Matetika Andriamanitra no namaly ireo vavolombelona mandainga, ary tamin'ny fotoana izay nanononany fianianana mihitsy no namonoan'ny anjely mpandringana azy. Natao izany mba hahatonga fahatahorana eo amin'ireo mpanao ratsy. (...)

 Nilefitra teo ambanin'ny fianianana i Jesosy tao anatin'ny ora nitsarana Azy. Hoy ny mpisoronabe taminy: "Ampianianiko amin' Andriamanitra velona Hianao hilaza aminay, raha Hianao no Kristy, Zanak' Andriamanitra." - Mat. 26:63. Dia hoy i Jesosy taminy: "Voalazanao." Raha ny fianianana ara-pitsarana no noresahin'i Jesosy tamin'ireo mpianany, dia ho niteny mafy ilay mpisoronabe Izy ary ho nanamafy ny fampianarany avy eo, ho tombontsoan'ireo mpanara-dia Azy amin'izao andro izao. 

Mahafaly an'i Satana ny fiheveran' ny olona sasany ny fianianana na voady ho ratsy, satria manome hirika azy hifehy azy ireo sy haka eny aminy ny volan'ny Tompo izany. Tokony hanam-pahendrena bebe kokoa ny mpitantam-pananan'Andriamanitra ka hanao drafitra sy hiomana amin'ny fiatrehana ny famitahan'i Satana, satria ho lehibe kokoa noho ny hatrizay ny ezaka hataony. - TFC, b. 1, tt. 202, 203. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal