Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Eken'ny Tenin'Andriamanitra ny fianianana eo amin'ny fitsarana 

Daty
Alahady 15 June 2025

"Aza manangan-tsaho foana. Aza mifandray tanana amin'ny ratsy fanahy ho vavolombelona mampidi-doza." -Eks. 23:1.

Mofon’aina: 
Naseho ahy fa mbola miditra an-tsehatra amin'ny lalàn'ny tany Andriamanitra. Tsapan' ireo mpitondra sy ny vahoaka ny Fanahin'Andriamanitra mifehy ny toe-javatra, raha mbola ao amin'ny fitoerana masina i Jesosy. Mifehy amin'ny ampahany betsaka ny vahoaka eto an-tany anefa i Satana, ary .raha tsy nisy ny lalàm-panjakana dia ho fahoriana be no niainantsika. Naseho tamiko fa amin'ny fotoana ilana izany, ary rehefa antsoina hijoro ho vavolombelona ara-dalàna ny zanak'Andriamanitra, dia tsy fandikana ny Tenin'Andriamanitra ny fianianan'izy ireo hiantso an' Andriamanitra ho vavolombelona ny amin'ny filazany ny marina ary ny marina irery ihany. (...)

Tsy matahotra ny handainga (...) ny lehilahy sy ny vehivavy sasany; nefa nampianarina azy ireo (...) fa zava-mahatahotra ny fandaingana amin' Andriamanitra. Nomena ho ohatra amin' izany ny momba an'i Ananiasy sy i Safira. Nentina avy teo amin'ny olona hankeo amin'Andriamanitra ny toe-javatra, koa raha mijoro ho vavolombelona mandainga ny olona iray, dia tsy amin'ny olona no anaovany izany fa amin' ilay Andriamanitra lehibe izay mamaky ny ao am-po sy mahalala ny marina (...) rehetra. (...)

Matetika Andriamanitra no namaly ireo vavolombelona mandainga, ary tamin'ny fotoana izay nanononany fianianana mihitsy no namonoan'ny anjely mpandringana azy. Natao izany mba hahatonga fahatahorana eo amin'ireo mpanao ratsy. (...)

 Nilefitra teo ambanin'ny fianianana i Jesosy tao anatin'ny ora nitsarana Azy. Hoy ny mpisoronabe taminy: "Ampianianiko amin' Andriamanitra velona Hianao hilaza aminay, raha Hianao no Kristy, Zanak' Andriamanitra." - Mat. 26:63. Dia hoy i Jesosy taminy: "Voalazanao." Raha ny fianianana ara-pitsarana no noresahin'i Jesosy tamin'ireo mpianany, dia ho niteny mafy ilay mpisoronabe Izy ary ho nanamafy ny fampianarany avy eo, ho tombontsoan'ireo mpanara-dia Azy amin'izao andro izao. 

Mahafaly an'i Satana ny fiheveran' ny olona sasany ny fianianana na voady ho ratsy, satria manome hirika azy hifehy azy ireo sy haka eny aminy ny volan'ny Tompo izany. Tokony hanam-pahendrena bebe kokoa ny mpitantam-pananan'Andriamanitra ka hanao drafitra sy hiomana amin'ny fiatrehana ny famitahan'i Satana, satria ho lehibe kokoa noho ny hatrizay ny ezaka hataony. - TFC, b. 1, tt. 202, 203. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (41)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal