Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aoka ny kristianina hahitsy mandrakariva.

Daty
Zoma 20 June 2025

"Ary hoy Jesôsy taminy: Hianareo dia mpanamarin-tena eo anatrehan'ny olona, nefa Andriamanitra mahalala ny fonareo; fa izay zavatra heverin’ny olona ho ambony dia fahavetavetana eo anatrehan’Andriamanitra." Lio. 16:15.

Mofon’aina:
Tokony hazonina eo amin'ny lafim-piainana rehetra ny fitsipika hentitry ny fahatokiana. Tsy ireo no fitsipika mifehy ity tontolontsika ity, satria i Satana — ilay mpamitaka sy mpandainga ary mpampahory - no tompony, ary manaraka azy sy manatanteraka ny fikasany ireo mpanompony. Tompo hafa kosa no tompoin'ny Kristianina, ary ao amin'Andriamanitra no tsy maintsy anatanterahany ny asany (...). 

Mety ho zava-madinika no fahitan' ny olona sasany ny fiviliana kely amin 'ny fahitsiana tanteraka eo amin'ny fandraharahana, saingy tsy tahaka izany ny fijerin'ny Mpamonjintsika. Miavaka tsara sy mazava ny teniny momba izany: "Ary izay mahatoky amin'ny kely indrindra dia mahatoky koa amin'ny be" -Lio. 16:10. (...)

 Mahatahotra tokoa ny fahabetsahan' ny fanambakana miseho eo amin'ny tontolo kristianina ankehitriny. (...) Ny fomba fanao tsy mahatoky izay manimba ny fifandraisan'ny lehilahy sy ny vehivavy amin'ireo olombelona namany dia tsy tokony hataon'ireo mitonona ho mpino ny fahamarinana ankehitriny na oviana na oviana. Mampidi-doza lehibe amin'ny fahamarinana ny vahoakan'Andriamanitra rehefa miala kely amin'ny lalan'ny fahitsiana.

Mety tsy ho tsara ny fisehoana ivelan'ny olona sasany, mety hanana kilema amin'ny lafiny maro izy, saingy hohajain'ny olona izy raha toa tsara laza amin'ny fananana fahitsiana mafy orina. (...) Hahazo ny fitokisan' ny rehetra ireo izay mijoro amin'ny fahamarinana ka tsy azo hozongozonina. Tsy ireo mpino namany ihany no hatoky azy fa na ireo tsy mpino koa aza dia voatery hiaiky ny maha-olo-mendrika azy. - MCP, b. 2, t. 437. 

Tsy maintsy mifandray amin'izao tontolo izao ireo mpanompon' Andriamanitra noho ny fandraharahana ataony, saingy tokony hotsarovany eo am-pividianana sy eo am-pivarotana fa manara-maso azy Andriamanitra. Aoka izy tsy hampiasa mizana mandainga na ny vato samy hafa, satria fahavetavetana eo imason'i Jehôvah izany [Ohab. 20:23]. Aoka ho araka izay iriny hosainin'ny mpianakavin'ny finoana momba azy ny Kristianina eo amin'ny raharaham-barotra rehetra ataony, ary aoka ny asany rehetra hofehezin'ny fitsipika mazava. Tsy manao teti-dra-tsy izy ka tsy manan-javatra hafenina na hosarontsaronana. - MCP, b. 2, tt. 437,438.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.
Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sun 20 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Jehôvah sa ireo andriamani-kafa?
Mon 21 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Iza no nanamafy ny fon’i Farao?
Tue 22 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Ny loza telo voalohany.
Wed 23 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Lalitra, biby fiompy ary vay.
Thu 24 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Havandra, valala ary haizina.
Fri 25 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -

Archive mensuelle

  • August 2025 (44)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal