Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Asehoy amin'ny famindrampo ny fitiavan'Andriamanitra.

Daty
Talata 24 June 2025

"Fa ny famindram-pon’i Jehôvah dia hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay, amin'izay matahotra Azy ary ny fahamarinany mihatra amin'ny taranaka. Dia amin'izay mitandrina ny fanekeny sy mahatsiaro hankatò ny didiny." - Sal. 103:17,18.

Mofon’aina:
Toetran'Andriamanitra anankiray izay azon'ny olombelona ananana ny famindrampo. Tahaka an'i Kristy, dia azontsika atao koa ny mihazona ny sandrin'Andriamanitra sy manana fifandraisana amin'ny Heriny. Nomena asa fanompoan'ny famindrampo izay tokony hatao amin'ireo namantsika isika. Miara-miasa amin'Andriamanitra isika raha manao izany fanompoana izany. Araka izany, tsara ny hanehoantsika famindrampo, tahaka ny mahabe indrafo ilay Raintsika any an-danitra. 

"Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà" hoy i Jehôvah (Mat. 9:13). Feno halemem-panahy sy fiantrana ny famindrampo. Manadio ny fanahy sy mameno fahatsarana ny fo ary manadio ny fiainana ho afaka amin'ny fitiavan-tena ny famindrampon'Andriamanitra sy ny fitiavany. Fanehoana ny fitiavan'Andriamanitra ny famindrampo, ary asehon'ireo izay (...) manompo Azy amin'ny fanehoana taratra ny fahazavan'ny lanitra eo amin'ny lalan'ireo voary namany izany.

Mitaky fanehoana famindrampo tena marina ny toe-javatra iainan'ny olona sasany. Ireo fitsipiky ny famindrampo sy ny fitiavana no tokony hifehy ny Kristianina eo amin'ny fifandraisan' izy samy izy. Aoka hohararaotin'izy ireo ny fotoana rehetra mba hanampiana ireo namany ao anatin'ny fahoriana. Voalaza mazava ao amin'izao teny izao ny adidin'ny Kristianina tsirairay: "Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà, dia mba havela ianareo; omeo, dia mba homena ianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa." - Lio. 6:37,38. Tokony harovantsika fatratra ireo fitsipika ireo.

Aoka ireo izay maniry ny hanana toetra tonga lafatra tahaka ny an'i Kristy hibanjina mandrakariva ny hazo fijaliana izay nahafatesan' i Kristy tamin'ny fahafatesana tsy nifaditrovana mba ho fanavotana ny taranak'olombelona. Aoka ho ao amin'izy ireo mandrakariva ny toe-tsain'ny famindrampo izay nitarika ny Mpamonjy hanao ilay sorona tsy manam-petra ho fanavotana antsika. -ST, 21 Mey 1902.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal