Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Asehoy amin'ny famindrampo ny fitiavan'Andriamanitra.

Daty
Talata 24 June 2025

"Fa ny famindram-pon’i Jehôvah dia hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay, amin'izay matahotra Azy ary ny fahamarinany mihatra amin'ny taranaka. Dia amin'izay mitandrina ny fanekeny sy mahatsiaro hankatò ny didiny." - Sal. 103:17,18.

Mofon’aina:
Toetran'Andriamanitra anankiray izay azon'ny olombelona ananana ny famindrampo. Tahaka an'i Kristy, dia azontsika atao koa ny mihazona ny sandrin'Andriamanitra sy manana fifandraisana amin'ny Heriny. Nomena asa fanompoan'ny famindrampo izay tokony hatao amin'ireo namantsika isika. Miara-miasa amin'Andriamanitra isika raha manao izany fanompoana izany. Araka izany, tsara ny hanehoantsika famindrampo, tahaka ny mahabe indrafo ilay Raintsika any an-danitra. 

"Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà" hoy i Jehôvah (Mat. 9:13). Feno halemem-panahy sy fiantrana ny famindrampo. Manadio ny fanahy sy mameno fahatsarana ny fo ary manadio ny fiainana ho afaka amin'ny fitiavan-tena ny famindrampon'Andriamanitra sy ny fitiavany. Fanehoana ny fitiavan'Andriamanitra ny famindrampo, ary asehon'ireo izay (...) manompo Azy amin'ny fanehoana taratra ny fahazavan'ny lanitra eo amin'ny lalan'ireo voary namany izany.

Mitaky fanehoana famindrampo tena marina ny toe-javatra iainan'ny olona sasany. Ireo fitsipiky ny famindrampo sy ny fitiavana no tokony hifehy ny Kristianina eo amin'ny fifandraisan' izy samy izy. Aoka hohararaotin'izy ireo ny fotoana rehetra mba hanampiana ireo namany ao anatin'ny fahoriana. Voalaza mazava ao amin'izao teny izao ny adidin'ny Kristianina tsirairay: "Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà, dia mba havela ianareo; omeo, dia mba homena ianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa." - Lio. 6:37,38. Tokony harovantsika fatratra ireo fitsipika ireo.

Aoka ireo izay maniry ny hanana toetra tonga lafatra tahaka ny an'i Kristy hibanjina mandrakariva ny hazo fijaliana izay nahafatesan' i Kristy tamin'ny fahafatesana tsy nifaditrovana mba ho fanavotana ny taranak'olombelona. Aoka ho ao amin'izy ireo mandrakariva ny toe-tsain'ny famindrampo izay nitarika ny Mpamonjy hanao ilay sorona tsy manam-petra ho fanavotana antsika. -ST, 21 Mey 1902.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal