"Fa ny famindram-pon’i Jehovah dia hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin'izay matahotra Azy ary ny fahamarinany mihatra amin'ny taranaka. Dia amin'izay mitandrina ny fanekeny sy mahatsiaro hankatò ny didiny." - Sal. 103:17,18.
Mofon’aina:
Toetran'Andriamanitra anankiray izay azon'ny olombelona ananana ny famindrampo. Tahaka an'i Kristy, dia azontsika atao koa ny mihazona ny sandrin'Andriamanitra sy manana fifandraisana amin'ny Heriny. Nomena asa fanompoan'ny famindrampo izay tokony hatao amin'ireo namantsika isika. Miara-miasa amin'Andriamanitra isika raha manao izany fanompoana izany. Araka izany, tsara ny hanehoantsika famindrampo, tahaka ny mahabe indrafo ilay Raintsika any an-danitra.
"Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà" hoy i Jehovah (Mat. 9:13). Feno halemem-panahy sy fiantrana ny famindrampo. Manadio ny fanahy sy mameno fahatsarana ny fo ary manadio ny fiainana ho afaka amin'ny fitiavan-tena ny famindrampon'Andriamanitra sy ny fitiavany. Fanehoana ny fitiavan'Andriamanitra ny famindrampo, ary asehon'ireo izay (... ) manompo Azy amin'ny fanehoana taratra ny fahazavan'ny lanitra eo amin'ny lalan'ireo voary namany izany.
Mitaky fanehoana famindrampo tena marina ny toe-javatra iainan'ny olona sasany. Ireo fitsipiky ny famindrampo sy ny fitiavana no tokony hifehy ny Kristianina eo amin'ny fifandraisan' izy samy izy. Aoka hohararaotin'izy ireo ny fotoana rehetra mba hanampiana ireo namany ao anatin'ny fahoriana. Voalaza mazava ao amin'izao teny izao ny adidin'ny Kristianina tsirairay: "Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà, dia mba havela ianareo; omeo, dia mba homena ianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kola." - Lio. 6:37,38. Tokony harovantsika fatratra ireo fitsipika ireo.
Aoka ireo izay maniry ny hanana toetra tonga lafatra tahaka ny an'i Kristy hibanjina mandrakariva ny hazo fijaliana izay nahafatesan' i Kristy tamin'ny fahafatesana tsy nifaditrovana mba ho fanavotana ny taranak'olombelona. Aoka ho ao amin'izy ireo mandrakariva ny toe-tsain'ny famindrampo izay nitarika ny Mpamonjy hanao ilay sorona tsy manam-petra ho fanavotana antsika. -ST, 21 Mey 1902.
Alarobia 25 Jona Mikatsaka ny faheruiteri "Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin 'ny fifalian 'ny tomponao." - Mat. 25:21.
M-itana andraikitra manan-danja ny anadahy , nefa raha maneho fahatokiana aminy ireo fianakav ian'ny vadiny, dia hampiasa hery miasa mangina hahatonga azy ho mpitantana feno fahendrena ny fananan'ny Tompo. (. ..) Tsy handray anjara amin'ny tetikasa tsy ara-dalàna mba hahazoam-bola izy fa hiasa ka tsy hikendry afa-tsy ny hahazoan'Andriamanitra voninahitra. Tsy hataony ireo hafetsena madinidinika sy ireo fomba fanao tsy mahatoky sy feno fitiavan-tena, ary tsy hanao na inona na inona mety hanimba ny fikolokoloana ny tena fitiavam-
bavaka marina izy. Ho tsapany fa misy ifandraisany amin'Andriamanitra ny fifampiraharahana ara-barotra rehetra ataony, (...) Takin'ny Baiboly ny hanaovan' ny olona ny fifanakalozam-barony sy ny raharahany rehetra amin'ny fahatsapana ny andraikiny ara-pivavahana tahaka izay ataony rehefa mitondra ny fangatahany hery sy fahasoavana amin'ny Rainy izay any an-danitra. Tsy misy nomen 'Andriamanitra fahalalahana hanao izay tiany amin'ny fananany, sy hanaraka ny fihetsehampony na koa izay takin'ny namana. Tsy azy ny vola tantanany ka tsy tokony holanilaniny foana, satria misy asa tokony hatao ao amin'ny tanimboaloboky ny Tompo ary mitaky fampiasam-bola izany asa izany. Izao no fotoana anankinana asa amintsika amim-pitokiana, ary tsy mbola tonga ny andron'ny fampamoahana. Nanankina harena mba hampiasain'ireo mpitantam-pananany amim-pahendrena ny Tompo satria isika rehetra dia mpiasa nomena andraikitra hiantsorohana. Nomena arakaraka ny fahaiza-manao ananantsika amin'ny fampiasana azy ny fanomezana samy hafa, nefa tsy tokony hampiasaintsika ho fanomezana fahafaham-po ny faniriana feno fitiavan-tena sy hanaraka ny fitakian'ny fironan ' ny fontsika ny fananan'Andriamanitra. Imbetsaka ny anadahy no tsy nahomby teo amin'ny fitantanana ny fananan'Andriamanitra ary tsy nodinihiny mandrakariva raha toa nampiasainy araka ny sitrapon'ny Tompony sy ho fampandrosoana ny asan'ny fahamarinana ny vola nankinina taminy. Tsy maintsy ampamoahina ny amin'izay fomba nampiasany ireo fananana nankinina taminy izy. Tsy azony atao ny mandeha araka ny sitrapony ao anatin'izany toe-javatra izany, tsy maintsy mangataka fahendrena avy amin'Andriamanitra izy. - Testimonies on Sexual Behavior, Adultery and Divorce, U. 70, 71.