Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mikatsaka ny fahendren’ny lanitra eo amin’ny fitantanam-bola

Daty
Alarobia 25 June 2025

 "Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin 'ny fifalian 'ny tomponao." - Mat. 25:21.

Mofon’aina:
Mitana andraikitra manan-danja ny anadahy  , nefa raha maneho fahatokiana aminy ireo fianakav ian'ny vadiny, dia hampiasa hery miasa mangina hahatonga azy ho mpitantana feno fahendrena ny fananan'ny Tompo. (. ..) Tsy handray anjara amin'ny tetikasa tsy ara-dalàna mba hahazoam-bola izy fa hiasa ka tsy hikendry afa-tsy ny hahazoan'Andriamanitra voninahitra. Tsy hataony ireo hafetsena madinidinika sy ireo fomba fanao tsy mahatoky sy feno fitiavan-tena, ary tsy hanao na inona na inona mety hanimba ny fikolokoloana ny tena fitiavam-bavaka marina izy. Ho tsapany fa misy ifandraisany amin'Andriamanitra ny fifampiraharahana ara-barotra rehetra ataony.

(...) Takin'ny Baiboly ny hanaovan' ny olona ny fifanakalozam-barony sy ny raharahany rehetra amin'ny fahatsapana ny andraikiny ara-pivavahana tahaka izay ataony rehefa mitondra ny fangatahany hery sy fahasoavana amin'ny Rainy izay any an-danitra. Tsy misy nomen 'Andriamanitra fahalalahana hanao izay tiany amin'ny fananany, sy hanaraka ny fihetsehampony na koa izay takin'ny namana. Tsy azy ny vola tantanany ka tsy tokony holanilaniny foana, satria misy asa tokony hatao ao amin'ny tanimboaloboky ny Tompo ary mitaky fampiasam-bola izany asa izany. 

Izao no fotoana anankinana asa amintsika amim-pitokiana, ary tsy mbola tonga ny andron'ny fampamoahana. Nanankina harena mba hampiasain'ireo mpitantam-pananany amim-pahendrena ny Tompo satria isika rehetra dia mpiasa nomena andraikitra hiantsorohana. Nomena arakaraka ny fahaiza-manao ananantsika amin'ny fampiasana azy ny fanomezana samy hafa, nefa tsy tokony hampiasaintsika ho fanomezana fahafaham-po ny faniriana feno fitiavan-tena sy hanaraka ny fitakian'ny fironan ' ny fontsika ny fananan'Andriamanitra.

Imbetsaka ny anadahy no tsy nahomby teo amin'ny fitantanana ny fananan'Andriamanitra ary tsy nodinihiny mandrakariva raha toa nampiasainy araka ny sitrapon'ny Tompony sy ho fampandrosoana ny asan'ny fahamarinana ny vola nankinina taminy. Tsy maintsy ampamoahina ny amin'izay fomba nampiasany ireo fananana nankinina taminy izy. Tsy azony atao ny mandeha araka ny sitrapony ao anatin'izany toe-javatra izany, tsy maintsy mangataka fahendrena avy amin'Andriamanitra izy. - Testimonies on Sexual Behavior, Adultery and Divorce, U. 70, 71. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal