Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mikatsaka ny fahendren’ny lanitra eo amin’ny fitantanam-bola.

Daty
Alarobia 25 June 2025

 "Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin'ny fifalian'ny tomponao." - Mat. 25:21.

Mofon’aina:
Mitana andraikitra manan-danja ny anadahy , nefa raha maneho fahatokiana aminy ireo fianakavian'ny vadiny, dia hampiasa hery miasa mangina hahatonga azy ho mpitantana feno fahendrena ny fananan'ny Tompo. (…) Tsy handray anjara amin'ny tetikasa tsy ara-dalàna mba hahazoam-bola izy fa hiasa ka tsy hikendry afa-tsy ny hahazoan'Andriamanitra voninahitra. Tsy hataony ireo hafetsena madinidinika sy ireo fomba fanao tsy mahatoky sy feno fitiavan-tena, ary tsy hanao na inona na inona mety hanimba ny fikolokoloana ny tena fitiavam-bavaka marina izy. Ho tsapany fa misy ifandraisany amin'Andriamanitra ny fifampiraharahana ara-barotra rehetra ataony.

(...) Takin'ny Baiboly ny hanaovan'ny olona ny fifanakalozam-barony sy ny raharahany rehetra amin'ny fahatsapana ny andraikiny ara-pivavahana tahaka izay ataony rehefa mitondra ny fangatahany hery sy fahasoavana amin'ny Rainy izay any an-danitra. Tsy misy nomen'Andriamanitra fahalalahana hanao izay tiany amin'ny fananany, sy hanaraka ny fihetsehampony na koa izay takin'ny namana. Tsy azy ny vola tantanany ka tsy tokony holanilaniny foana, satria misy asa tokony hatao ao amin'ny tanimboaloboky ny Tompo ary mitaky fampiasam-bola izany asa izany. 

Izao no fotoana anankinana asa amintsika amim-pitokiana, ary tsy mbola tonga ny andron'ny fampamoahana. Nanankina harena mba hampiasain'ireo mpitantam-pananany amim-pahendrena ny Tompo satria isika rehetra dia mpiasa nomena andraikitra hiantsorohana. Nomena arakaraka ny fahaiza-manao ananantsika amin'ny fampiasana azy ny fanomezana samy hafa, nefa tsy tokony hampiasaintsika ho fanomezana fahafaham-po ny faniriana feno fitiavan-tena sy hanaraka ny fitakian'ny fironan'ny fontsika ny fananan'Andriamanitra.

Imbetsaka ny anadahy no tsy nahomby teo amin'ny fitantanana ny fananan'Andriamanitra ary tsy nodinihiny mandrakariva raha toa nampiasainy araka ny sitrapon'ny Tompony sy ho fampandrosoana ny asan'ny fahamarinana ny vola nankinina taminy. Tsy maintsy ampamoahina ny amin'izay fomba nampiasany ireo fananana nankinina taminy izy. Tsy azony atao ny mandeha araka ny sitrapony ao anatin'izany toe-javatra izany, tsy maintsy mangataka fahendrena avy amin'Andriamanitra izy. - Testimonies on Sexual Behavior, Adultery and Divorce, U. 70, 71. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal