Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Misoloa tena an'i Kristy amin’ny toe-javatra rehetra.

Daty
Zoma 27 June 2025

  "Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin'ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain’Andriamanitra ho anareo avy." - Rôm. 12:3.

Mofon’aina:
Raha madio sy tsy misy fitiavan-tena ny hery manosika anao hanao zavatra iray, raha toa ianao maniry hanao ny asa tokony hatao sy haneho fahalianana feno halemem-panahy ary koa maniry hanao asa feno fanajana ny hafa, dia efa manorina ny harenao ianao amin'izany na dia tsy tsapanao aza izany. Amin'izany no anehoanao ny toetran'i Kristy ao an-tokantrano, any am-piangonana ary eo amin'izao tontolo izao. Izany no asa iantsoan'ny Tompo antsika. (...)

 Na dia alaim-panahy aza ianao, dia aza mamitaka na koa miala amin'ny fahamarinana na dia amin-javatra bitika indrindra aza. Misy fotoana misy fironana maha-olombelona maka fanahy mba hampiala amin'ny lala-mahitsin'ny fahatokiana, nefa aza miova na dia tahaka ny singam-bolo aza. Raha toa misy fotoana ianao manambara izay zavatra hataonao nefa tsapanao avy eo fa nanome tombony ho an'ny hafa ianao ka ho faty antoka, dia aza miala amin'ny fitsipika fa tanteraho izay efa nekenao.

Raha mitady hanova ny drafitrao ianao dia haneho amin'izany fa tsy azo ianteherana. Ary raha mitakemotra amin'ny raharaham-barotra kely ianao dia hitakemotra koa amin'izay lehibe kokoa. Ao anatin'ny toe-javatra tahaka izany, dia alaim-panahy ny sasany mba hamitakaka hilaza fa tsy takatry ny hafa izay tiany hambara. Tsy izany anefa fa izay tiany hambara tokoa no voalazany saingy veriny ny fihetsehampo tsara tao aminy ka naniry ny hitakemotra tsy hanaja ny fifanekena izy fandrao hahafaty antoka azy izany. Takin'ny Tompo ny hanaovantsika ny marina, ny hitiavantsika famindrampo sy fahamarinana ary fahitsiana. (...)

Tsy manana toetra tsara hentitra izay takina mba hampiorina ny fian-gonana ny lehilahy sy ny vehivavy. Tsy hain'izy ireo ny mamorona fomba fiasa sy drafitra hananana toetra tsara sy tsy azo hozongozonina. (...) Ny fanabeazana toy izany no ilaina (...) fanabeazana hendry sy misy heviny, izay mifandrindra amin'ireo fitsipika ara-Baiboly. - MR, 20: 343, 344. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal