"Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin 'ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain 'Andriamanitra ho anareo avy." - Rôm. 12:3.
Mofon’aina:
Raha madio sy tsy misy fitiavan-tena ny hery manosika anao *00t..hanao zavatra iray, raha toa ianao maniry hanao ny asa tokony hatao sy haneho fahalianana feno halemem-panahy ary koa maniry hanao asa feno fanajana ny hafa, dia efa manorina ny harenao ianao amin'izany na dia tsy tsapanao aza izany. Amin' izany no anehoanao ny toetran'i Kristy ao an-tokantrano, any am-piangonana ary eo amin'izao tontolo izao. Izany no asa iantsoan'ny Tompo antsika. (...)
Na dia alaim-panahy aza ianao, dia aza mamitaka na koa miala amin'ny fahamarinana na dia amin-javatra bitika indrindra aza. Misy fotoana misy fironana maha-olombelona maka fanahy mba hampiala amin'ny lala-mahitsin'ny fahatokiana, nefa aza miova na dia tahaka ny singam-bolo aza. Raha toa misy fotoana ianao manambara izay zavatra hataonao nefa tsapanao avy eo fa nanome tombony ho an' ny hafa ianao ka ho faty antoka, dia aza miala amin'ny fitsipika fa tanteraho izay efa nekenao.
Raha mitady hanova ny drafitrao ianao dia haneho amin'izany fa tsy azo ianteherana. Ary raha mitakemotra amin'ny raharaham-barotra kely ianao dia hitakemotra koa amin'izay lehibe kokoa. Ao anatin'ny toe-javatra tahaka izany, dia alaim-panahy ny sasany mba hamitakaka hilaza fa tsy takatry ny hafa izay tiany hambara. Tsy izany anefa fa izay tiany hambara tokoa no voalazany saingy veriny ny fihetsehampo tsara tao aminy ka naniry ny hitakemotra tsy hanaja ny fifanekena izy fandrao hahafaty antoka azy izany. Takin'ny Tompo ny hanaovantsika ny marina, ny hitiavantsika famindrampo sy fahamarinana ary fahitsiana. (...)
Tsy manana toetra tsara hentitra izay takina mba hampiorina ny fian-gonana ny lehilahy sy ny vehivavy. Tsy hain'izy ireo ny mamorona fomba fiasa sy drafitra hananana toetra tsara sy tsy azo hozongozonina. (...) Ny fanabeazana toy izany no ilaina (...) fanabeazana hendry sy misy heviny, izay mifandrindra amin'ireo fitsipika ara-Baiboly. - MR, 20: 343, 344.