Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fanampiny.

Daty
Zoma 08 August 2025

FIANARANA FANAMPINY

Vakio "Ny fanafahana", toko faha-25 ao amin'ny PM.

Niandany tamin'ireo Isiraelita Andriamanitra na teo aza ny tsy finoan'izy ireo. Niriny ny hampianatra sy hitarika azy ireo hanana ny fomba fisainana sy ny fitondrantenan'ny vahoaka voafidiny. Tamim-paharetana no nitarihan'Andriamanitra azy ireo sy nitondrany azy ho eo amin'ny toerana hiatrehan'izy ireo zava-tsarotra vitsivitsy. Hoy i Ellen G. White: "(...) Zara raha raha nahafantatra ny momba an'Andriamanitra no sady tsy ampy finoana ny zanak'Isiraely ka nanjary raiki-tahotra sy kivy. Tsy nanana fitaovam-piadiana izy ireo ary tsy zatra ady, ketraky ny fanandevozana naharitra ny fanahiny ary sahirana izy noho ny amin'ireo vehivavy sy zaza ary ny omby sy ny ondry. Naneho fangorahana Andriamanitra no sady naneho fahendrena tamin'ny nitarihany azy ireo tany amin'ny lalana nanakaiky ny Ranomasina Mena." - PP, t. 282.

Izao no ambaran'ny "the Andrews Bible Commentary" raha miresaka momba ny hiran'i Mosesy: "Azo antoka ny asa fanavotana nataon'Andriamanitra teo amin'ny tantara. Manome toky antsika izany fa tsy misy tokony hatahorantsika momba ny hoavy. Mifantoka amin'ireo fahavalo amin'ny hoavy izay hatrehina eo amin'ny fidirana ho any Kanana ny andalan-teny farany. Noho ny 'sandry' maherin'Andriamanitra, dia 'mangina tahaka ny vato' ireny (Eks. 15:16). Rehefa miatrika zava-tsarotra isika, rehefa mahatsapa ho tapi-dalan-kaleha, dia misy toky ho antsika ao amin'ny 'hiran'i Mosesy', satria mampahatsiaro toe-javatra lehibe teo amin'ny tantaran'ny vahoakan'Andriamanitra izany." - Andrews Bible Commentary, "Exodus" (Berrien Springs, MI: Andrews University Press, 2020), t. 214.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Matetika isika no manao tahaka izay nataon'ny Hebreo teo anoloan'ny fihaikan'ny Ranomasina Mena na dia teo aza ny fanafahana mahagaga avy tany Egypta; inona no anton'izany? Izany hoe, na dia marobe aza ny porofon'ny fahatsaran'Andriamanitra amintsika sy ny heriny, nahoana no mora amintsika ny mampiseho tsy finoana na maneho izany amin'ny teny mihitsy aza?

2. Na teo aza ny zava-drehetra izay nitranga, anisan'izany ny fahafatesan'ny lahimatoa rehetra tany Egypta, nahoana i Farao no mbola nanenjika ny vahoaka Isiraely? Inona no tokony hasehon'izany momba ny loza ateraky ny hamafisam-po vokatry ny fahotana (na ny hamafisam-po izay mitarika hanota)?

3. Na dia miatrika latrika fizahan-toetra mahamay aza isika indraindray, dia maro amintsika no efa niaina (na mbola miaina) fiainana mahafinaritra sy androm-piadanana, tsy misy loza manjo antsika na ireo olon-tiantsika. Nahoana isika no tokony handray ireny fotoana ireny ho porofon'ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fiarovany, noho ny fahatakarantsika fa velona eto amin'ny "faritanin""ny fahavalo isika izao? Izany hoe, nahoana isika no tokony hahatsiaro mandrakariva ny hidera an'i Jehovah amin'ny androm-piadanana, satria tsy fantatsika izay loza nosakanan'Andriamanitra tsy hihatra amintsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal