"Ary hamoa ny hazo any an-tsaha, sady hahavokatra ny tany, ary handry fahizay amin'ny tany izy; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehôvah , raha hotapahiko ny ziogany, ary hovonjeko amin'ny tànan'izay nampanompo azy izy." — Ezek. 34:27.
Mofon’aina:
Ilana fahalalana mivelatra kokoa ny momba ny fanomanana ny tany. Tsy ampy fivelarana ny fomba fijery ny amin'izay azo atao amin'ny tany. Fahazarana tsy mivelatra sy tsy manam-piovana no arahina ka mahakivy ny vokatra entiny. — FCE, t. 317. (...)
Ilana fahaiza-manao feno fahalalana sy nohatsaraina ny famolavolana ny fomba fiasa amin'ny fambolena, amin'ny fanorenan-trano, ary amin'ny sehatra hafa, mba tsy hahatonga ny mpiasa hiasa nefa tsy hahazo vokatra. (...) Andriamanitra, izay namorona izao tontolo izao ho tombontsoan'ny olombelona no hanome ny fitaovana ilaina avy amin'ny tany hanohanana ny mpiasa mazoto.
Hitondra vokatra ny voa novolena tao amin'ny tany voaomana tsara. Afaka mamelatra latabatra ho an'ny olony . any an-tany efitra Andriamanitra. (…) Betsaka no malahelo vokatry ny tsy famokaran'ny tany, nefa raha vakin'ny olona ny Soratra Masin'ny Testamenta Taloha, dia ho hitany ao fa nahalala kokoa ny amin'ny fikarakarana ny tany araka ny tokony ho izy mihoatra noho izy ireo Andriamanitra. Rehefa nasaina nandritra ny taona maro sy nanome ny hareny ho an'ny olombelona ny ampahan-tany maro, dia tokony havela hiala sasatra, ary tokony hovana koa ny voly. (...)
Misy harena miafina ao amin'ny tany, ary ny Tompo dia manana olona an'arivony maro tokony hiasa ny tany izay mitangorona any an-drenivohitra hikatsaka zava-poana. (...)
Nijery izay noforoniny rehetra Andriamanitra tany am-piandohana, ary niteny fa tsara indrindra izany. Tonga tamin'ny tany anefa ny ozona vokatry ny fahotana. Mbola hitombo vokatry ny fitomboan'ny fahotana ve izany ozona izany? Manao ny asa ratsiny ny tsy fahalalana. Mampitombo ny faharatsiana amin'ny alalan'ny fahazarana feno fahalainana ny mpanompo kamo. (...) Manana fitahiana miafina any amin'ny lalina anefa ny tany ho an'ireo izay manana herin-tsaina sy sitrapo ary faharetana mba hanangona ny harembe ao aminy. — FCE, tt. 315-327. (...)