Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fiasana sy fianarana, mahasoa ny saina sy ny tany.

Daty
Alarobia 06 August 2025

 "Indro, an'i Jehôvah Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin'izay rehetra eo aminy." — Deo. 10:14.

Mofon’aina:
Ny  hatsaran-tarehin'ny zavaboahary dia mitarika ny fanahy hanalavitra ny fahotana sy ny zava-manintona eto amin'izao tontolo izao, mba hanatona ny fahadiovana sy ny fiadanana ary hanatona an'Andriamanitra. Noho izany antony izany no mahatsara ho an'ny ankizy sy ny tanora ny fiasana ny tany. Mampifandray azy mivantana amin'ny zavaboary sy amin'Ilay Andriamanitra nanao ny zavaboary izany. Mba hahazoan'izy ireo io tombontsoa io dia tokony hisy, araka izay azo atao, mifanila amin'ny sekolintsika, zaridaina malalaka feno voninkazo sy tany malalaka hahazoana mamboly. — CPTS, tt. 186, 187. 

Manantena ny hahita fahombiazana izahay amin'ny fambolena, ampiarahina amin'ny fandalinana ny siansa, ato amin'ny sekoly izay atsangana aty Cooranbong [Aostralia]. Tianay ity faritra ity raha hatao ivon-toerana iray izay handefa taratra mamirapiratra sy fahalalana sarobidy vokatry ny fiasana ny tany nohatsaraina, mba hahatonga ny lohasaha sy ny lemaka hamelana tahaka ny raozy. Ho an'ny ankizy sy ny olon-dehibe, ny fampiarahana ny fampiasam-batana amin'ny fampiasana ny saina dia hanome karazam-panabeazana feno izay mahasahana lafin-javatra maro. Hitondra fandrisihana vaovao sy voalanjalanja ho an'ny fikarakarana ny tany ny fikolokoloana ny saina. —TMGW, t. 244. 

(...) Tokony hiasa ny tany amim-pifaliana isika, ary amim-panantenana sy amim-pankasitrahana, noho ny finoana fa misy harena ho an'ny mpiasa mahatoky ao an-kibon'ny tany, harena izay sarobidy noho ny volamena sy ny volafotsy (...). Raha trandrahina amin'ny fomba araka ny tokony ho izy sy amim-pahendrena ny tany dia hamokatra ny harembeny ho tombony ho an'ny olombelona.

Mitaky ny fampiasana ny herin-tsaina rehetra sy ny fahaiza-manao rehetra ananantsika ny fiasana ny tanintsika. Hita taratra eo amin'ireo tany manodidina antsika ny fidonana-poan'ny olombelona. Manantena ny hanaitra ny saina matoritory izahay. Manantena ny hahita mpamboly manan-tsaina hahazo valisoa noho ny asa mafy ataony. Tsy maintsy miara-miasa ny tanana sy ny fo, mitondra drafitra vaovao sy voalanjalanja hoentina mikarakara ny tany. — TMGW, tt. 242-244.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal