Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fiasana sy fianarana, mahasoa ny saina sy ny tany.

Daty
Alarobia 06 August 2025

 "Indro, an'i Jehôvah Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin'izay rehetra eo aminy." — Deo. 10:14.

Mofon’aina:
Ny  hatsaran-tarehin'ny zavaboahary dia mitarika ny fanahy hanalavitra ny fahotana sy ny zava-manintona eto amin'izao tontolo izao, mba hanatona ny fahadiovana sy ny fiadanana ary hanatona an'Andriamanitra. Noho izany antony izany no mahatsara ho an'ny ankizy sy ny tanora ny fiasana ny tany. Mampifandray azy mivantana amin'ny zavaboary sy amin'Ilay Andriamanitra nanao ny zavaboary izany. Mba hahazoan'izy ireo io tombontsoa io dia tokony hisy, araka izay azo atao, mifanila amin'ny sekolintsika, zaridaina malalaka feno voninkazo sy tany malalaka hahazoana mamboly. — CPTS, tt. 186, 187. 

Manantena ny hahita fahombiazana izahay amin'ny fambolena, ampiarahina amin'ny fandalinana ny siansa, ato amin'ny sekoly izay atsangana aty Cooranbong [Aostralia]. Tianay ity faritra ity raha hatao ivon-toerana iray izay handefa taratra mamirapiratra sy fahalalana sarobidy vokatry ny fiasana ny tany nohatsaraina, mba hahatonga ny lohasaha sy ny lemaka hamelana tahaka ny raozy. Ho an'ny ankizy sy ny olon-dehibe, ny fampiarahana ny fampiasam-batana amin'ny fampiasana ny saina dia hanome karazam-panabeazana feno izay mahasahana lafin-javatra maro. Hitondra fandrisihana vaovao sy voalanjalanja ho an'ny fikarakarana ny tany ny fikolokoloana ny saina. —TMGW, t. 244. 

(...) Tokony hiasa ny tany amim-pifaliana isika, ary amim-panantenana sy amim-pankasitrahana, noho ny finoana fa misy harena ho an'ny mpiasa mahatoky ao an-kibon'ny tany, harena izay sarobidy noho ny volamena sy ny volafotsy (...). Raha trandrahina amin'ny fomba araka ny tokony ho izy sy amim-pahendrena ny tany dia hamokatra ny harembeny ho tombony ho an'ny olombelona.

Mitaky ny fampiasana ny herin-tsaina rehetra sy ny fahaiza-manao rehetra ananantsika ny fiasana ny tanintsika. Hita taratra eo amin'ireo tany manodidina antsika ny fidonana-poan'ny olombelona. Manantena ny hanaitra ny saina matoritory izahay. Manantena ny hahita mpamboly manan-tsaina hahazo valisoa noho ny asa mafy ataony. Tsy maintsy miara-miasa ny tanana sy ny fo, mitondra drafitra vaovao sy voalanjalanja hoentina mikarakara ny tany. — TMGW, tt. 242-244.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal