"Indro, an'i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin'izay rehetra eo aminy." — Deo. 10:14.
Mofon’aina:
Ny hatsaran-tarehin'ny zavaboahary dia mitarika ny fanahy hanalavitra ny fahotana sy ny zava-manintona eto amin'izao tontolo izao, mba hanatona ny fahadiovana sy ny fiadanana ary hanatona an'Andriamanitra. Noho izany antony izany no mahatsara ho an'ny ankizy sy ny tanora ny fiasana ny tany. Mampifandray azy mivantana amin'ny zavaboary sy amin'Ilay Andriamanitra nanao ny zavaboary izany. Mba hahazoan'izy ireo io tombontsoa io dia tokony hisy, araka izay azo atao, mifanila amin'ny sekolintsika, zaridaina malalaka feno voninkazo sy tany malalaka hahazoana mamboly. — CPTS, tt. 186, 187.
Manantena ny hahita fahombiazana izahay amin'ny fambolena, ampiarahina amin'ny fandalinana ny siansa, ato amin'ny sekoly izay atsangana aty Cooranbong [Aostralia]. Tianay ity faritra ity raha hatao ivon-toerana iray izay handefa taratra mamirapiratra sy fahalalana sarobidy vokatry ny fiasana ny tany nohatsaraina, mba hahatonga ny lohasaha sy ny lemaka hamelana tahaka ny raozy. Ho an'ny ankizy sy ny olon-dehibe, ny fampiarahana ny fampiasam-batana amin'ny fampiasana ny saina dia hanome karazam-panabeazana feno izay mahasahana lafin-javatra maro. Hitondra fandrisihana vaovao sy voalanjalanja ho an'ny fikarakarana ny tany ny fikolokoloana ny saina. —TMGW, t. 244.
(...) Tokony hiasa ny tany amim-pifaliana isika, ary amim-panantenana sy amim-pankasitrahana, noho ny finoana fa misy harena ho an'ny mpiasa mahatoky ao an-kibon'ny tany, harena izay sarobidy noho ny volamena sy ny volafotsy (...). Raha trandrahina amin'ny fomba araka ny tokony ho izy sy amim-pahendrena ny tany dia hamokatra ny harembeny ho tombony ho an'ny olombelona.
Mitaky ny fampiasana ny herin-tsaina rehetra sy ny fahaiza-manao rehetra ananantsika ny fiasana ny tanintsika. Hita taratra eo amin'ireo tany manodidina antsika ny fidonana-poan'ny olombelona. Manantena ny hanaitra ny saina matoritory izahay. Manantena ny hahita mpamboly manan-tsaina hahazo valisoa noho ny asa mafy ataony. Tsy maintsy miara-miasa ny tanana sy ny fo, mitondra drafitra vaovao sy voalanjalanja hoentina mikarakara ny tany. — TMGW, tt. 242-244.