Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mampandroso ny asa voalamina tsara.

Daty
Zoma 08 August 2025

 "Fa izay tany mifoka ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka maniry anana tsara ho an'ny olona iasana azy dia mahazo fitahiana avy amin'Andriamanitra; fa izay maniry tsilo sy songosongo kosa dia lavina sady akaikin'ny ozona, ary ny hiafarany dia hodorana." — Heb. 6:7,8.

Mofon’aina:
Mila ampianarina ny tanora fa ny fiainana dia asa mafy, andraikitra, sy fikarakarana. Mila hofanina izy ireo mba ho olona mahay miatrika — lehilahy sy vehivavy mahalala ny tokony hatao rehefa mitranga ny tampoka. Tokony hampianarina azy fa ny fanarahan-dalàna amin'ny asa mitohy tsy tapatapaka dia tena ilaina tokoa (...).

Na dia teo aza ireo voalaza sy voasoratra rehetra momba ny maha-mendrika ny asa dia manjaka ny fiheverana fa manambany izany. Ny zatovolahy dia maniry mafy ho tonga mpampianatra, mpiasa birao, mpivarotra, mpitsabo, mpisolovava, na hanao asa hafa izay tsy mitady fampiasana mafy ny herim-batana. Ny zatovovavy indray dia tsy tia manao raharaha ao an-trano ary mitady sehatra hafa hianarana. Izy ireny dia mila mianatra fa tsy manambany velively ny miasa amim-pahamarinana. Ny fahazarana midonana-poana sy tia tena no manambany. (...)

 Koa satria samy manana ny anjara raharahany avy ny lehilahy sy ny vehivavy ao an-trano dia tokony hanam-pahalalana ny amin'izay tokony hatao amin'ny fikarakarana tokantrano koa (...) ny tovolahy sy ny tovovavy. (...) Aoka ny ankizy hahita ao amin'ny Baiboly fa Andriamanitra dia nanome haja ny raharahan' ireo mpiasa isan'andro. Aoka hovakiny ny momba ny "zanaky ny mpaminany" (2 Mpanj. 6:1-7), (...) izay nanorina ny trano nitoerany sy nanehoana fahagagana: dia ilay lelam-pamaky nindramina ka very, kanefa natsinkafona avy ao anaty rano. Aoka izy ireo hamaky ny amin'i Jesôsy ilay mpandrafitra sy i Paoly mpanao lay, izay nanao ny asa ambony indrindra ho an'ny olona sy ho an'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny asan-tanany. (...) Eo koa ny tantaran'i Dorkasy, ilay mpanjaitra, izay natsangana tamin'ny maty mba hanohizany ny zaitrany ho an'ny mahantra; ny tantaran'ilay vehivavy hendry ao amin'ny Ohabolana (...) izay "mizaha volon'ondry sy rongony (...) ary mazoto miasa amin'ny tànany," (...) izay "mitandrina tsara ny ataon'ny ankohonany (...) ary tsy homana ny mofon'ny fahalainana." (Ohab. 31:13,27). - Fk, tt. 241-243.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal