Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mampandroso ny asa voalamina tsara

Daty
Zoma 08 August 2025

 "Fa izay tany mifoka ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka maniry anana tsara ho an'ny olona iasana azy dia mahazo fitahiana avy amin'Andriamanitra; fa izay maniry tsilo sy songosongo kosa dia lavina sady akaikin'ny ozona, ary ny hiafarany dia hodorana." — Heb. 6:7,8.

Mofon’aina:
Mila ampianarina ny tanora fa ny fiainana dia asa mafy, andraikitra, sy fikarakarana. Mila hofanina izy ireo mba ho olona mahay miatrika — lehilahy sy vehivavy mahalala ny tokony hatao rehefa mitranga ny tampoka. Tokony hampianarina azy fa ny fanarahan-dalà.na amin'ny asa mitohy tsy tapatapaka dia tena ilaina tokoa (...).

Na dia teo aza ireo voalaza sy voasoratra rehetra momba ny maha-mendrika ny asa dia manjaka ny fiheverana fa manambany izany. Ny zatovolahy dia maniry mafy ho tonga mpampianatra, mpiasa birao, mpivarotra, mpitsabo, mpisolovava, na hanao asa hafa izay tsy mitady fampiasana mafy ny herim-batana. Ny zatovovavy indray dia tsy tia manao raharaha ao an-trano ary mitady sehatra hafa hianarana. Izy ireny dia mila mianatra fa tsy manambany velively ny miasa amim-pahamarinana. Ny fahazarana midonana-poana sy tia tena no manambany. (...)

 Koa satria samy manana ny anjara raharahany avy ny lehilahy sy ny vehivavy ao an-trano dia tokony hanam-pahalalana ny amin'izay tokony hatao amin'ny fikarakarana tokantrano koa (...) ny tovolahy sy ny tovovavy. (...) Aoka ny ankizy hahita ao amin'ny Baiboly fa Andriamanitra dia nanome haja ny raharahan' ireo mpiasa isan'andro. Aoka hovakiny ny momba ny "zanaky ny mpaminany" (2 Mpanj. 6:1-7), (...) izay nanorina ny trano nitoerany sy nanehoana fahagagana: dia ilay lelam-pamaky nindramina ka very, kanefa natsinkafona avy ao anaty rano. Aoka izy ireo hamaky ny amin'i Jesosy ilay mpandrafitra sy i Paoly mpanao lay, izay nanao ny asa ambony indrindra ho an'ny olona sy ho an'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny asan-tanany. (...) Eo koa ny tantaran'i Dorkasy, ilay mpanjaitra, izay natsangana tamin'ny maty mba hanohizany ny zaitrany ho an'ny mahantra; ny tantaran'ilay vehivavy hendry ao amin'ny Ohabolana (...) izay "mizaha volon 'ondry sy rongony (...) ary mazoto miasa amin 'ny tànany," (...) izay "mitandrina tsara ny ataon'ny ankohonany (...) ary tsy homana ny mofon'ny fahalainana." (Ohab. 31:13,27). - Fk, tt. 241-243.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.
Sun 03 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Mandehana ka manompoa an’i Jehôvah.
Mon 04 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fanokanana ny voalohan-teraka.
Tue 05 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Niampita ny ranomasina mena.
Wed 06 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Mandroso amim-pinoana.
Thu 07 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Ny hiran’i Mosesy sy i Miriama.
Fri 08 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fanampiny.
Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.
Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal