Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hatsaran-tarehy maneho ny Toetrany.

Daty
Sabotsy 09 August 2025

"Manopy ny masoko ho amin'ny tendrombohitra aho; avy aiza ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy dia avy amin'i Jehôvah , Mpanao ny lanitra sy ny tany." — Sal. 121:1,2.

Mofon’aina: 
Efa niaina ny fahafinaretana tamin' ny fibanjinana ny masoandro milentika tany Colorado aho. Ilay lehiben'ny mpiangaly zava-kanto no nampihantona teo amin'ny tabilaon'ny lanitra, ho tombontsoan'ny rehetra, (...) ny iray amin'ireo hosodokony tsara indrindra. Toy ny hoe nisokasoka ny vavahadin'ny lanitra mba hahitana ny hatsaran-tarehy tao anatiny. Endrey! Hoy ny eritreritro, nisy olona nifandimby nandalo tsy nahatsikaritra akory ny zava-nisy, nefa firifiry no vonona handohalika sy hiankohoka i, raha toa nolokoin'ny tanan'olombelona io! 

Mpitia ny hatsarana Andriamanitra. Tiany ny hatsaran-toetra, ary asainy mikolokolo fahadiovana sy fahatsorana isika (...). Asaina mikatsaka ny fihaingoan'ny fanahy mora fo sy tony isika, izay lafo vidy tokoa eo imason'Andriamanitra. 

Ry ray aman-dreny, fanabeazana manao ahoana no omenao ny zanakao? Mampianatra azy ireo hankamamy ny zavatra madio sy maha-te ho tia ve ianao, sa mitady kosa ny hametraka ny tanany eo an-tanan'izao tontolo izao? Mandany fotoana sy harena ve ianao mba hahafahany mianatra ireo fitsipi-pahaiza-miaina, ary koa miantoka ny fananany ireo fihaingoana ivelany sy mamitak'izao tontolo izao? 

Hatrany amin'ny fahazazany, dia velaro eo anoloany ny boky lehiben'ny natiora. Ampianaro azy ny fomba fiasan'ny voninkazo. Asehoy azy fa raha tsy tonga tety an-tany i Jesosy mba ho faty, dia tsy ho nisy na dia iray aza ireo zavatra tsara tarehy izay ankafizintsika amin'izao fotoana izao. Sintony ny sainy hahatakatra izao: ny loko, eny na ny endriky ny voa mitsimoka sy ny voninkazo aza dia fanehoana ny fitiavan'Andriamanitra amin'ny olombelona, ka tokony hofohazina ao am-pony ny fitiavana sy ny fankasitrahana ny Rainy izay any an-danitra noho izany fanomezana izany.

(...) Ento mivoaka ny trano izy rehefa maraina mba hihainoany ny vorona misiotsioka ny hira fiderany. Ampianaro azy fa isika koa dia tokony haneho fisaorana amin'Ilay mpanome ny zava-drehetra amin-kalalahan-tanana noho ireo fitahiana azontsika avy Aminy isan'andro. Ampianaro azy fa tsy ny fitafiana no maha-lehilahy na vehivavy ny olona, fa ny fahatsaram-po marina. - RH, 27 Oktôbra 1885. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal