Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hatsaran-tarehy maneho ny Toetrany.

Daty
Sabotsy 09 August 2025

"Manopy ny masoko ho amin'ny tendrombohitra aho; avy aiza ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy dia avy amin'i Jehôvah , Mpanao ny lanitra sy ny tany." — Sal. 121:1,2.

Mofon’aina: 
Efa niaina ny fahafinaretana tamin' ny fibanjinana ny masoandro milentika tany Colorado aho. Ilay lehiben'ny mpiangaly zava-kanto no nampihantona teo amin'ny tabilaon'ny lanitra, ho tombontsoan'ny rehetra, (...) ny iray amin'ireo hosodokony tsara indrindra. Toy ny hoe nisokasoka ny vavahadin'ny lanitra mba hahitana ny hatsaran-tarehy tao anatiny. Endrey! Hoy ny eritreritro, nisy olona nifandimby nandalo tsy nahatsikaritra akory ny zava-nisy, nefa firifiry no vonona handohalika sy hiankohoka i, raha toa nolokoin'ny tanan'olombelona io! 

Mpitia ny hatsarana Andriamanitra. Tiany ny hatsaran-toetra, ary asainy mikolokolo fahadiovana sy fahatsorana isika (...). Asaina mikatsaka ny fihaingoan'ny fanahy mora fo sy tony isika, izay lafo vidy tokoa eo imason'Andriamanitra. 

Ry ray aman-dreny, fanabeazana manao ahoana no omenao ny zanakao? Mampianatra azy ireo hankamamy ny zavatra madio sy maha-te ho tia ve ianao, sa mitady kosa ny hametraka ny tanany eo an-tanan'izao tontolo izao? Mandany fotoana sy harena ve ianao mba hahafahany mianatra ireo fitsipi-pahaiza-miaina, ary koa miantoka ny fananany ireo fihaingoana ivelany sy mamitak'izao tontolo izao? 

Hatrany amin'ny fahazazany, dia velaro eo anoloany ny boky lehiben'ny natiora. Ampianaro azy ny fomba fiasan'ny voninkazo. Asehoy azy fa raha tsy tonga tety an-tany i Jesosy mba ho faty, dia tsy ho nisy na dia iray aza ireo zavatra tsara tarehy izay ankafizintsika amin'izao fotoana izao. Sintony ny sainy hahatakatra izao: ny loko, eny na ny endriky ny voa mitsimoka sy ny voninkazo aza dia fanehoana ny fitiavan'Andriamanitra amin'ny olombelona, ka tokony hofohazina ao am-pony ny fitiavana sy ny fankasitrahana ny Rainy izay any an-danitra noho izany fanomezana izany.

(...) Ento mivoaka ny trano izy rehefa maraina mba hihainoany ny vorona misiotsioka ny hira fiderany. Ampianaro azy fa isika koa dia tokony haneho fisaorana amin'Ilay mpanome ny zava-drehetra amin-kalalahan-tanana noho ireo fitahiana azontsika avy Aminy isan'andro. Ampianaro azy fa tsy ny fitafiana no maha-lehilahy na vehivavy ny olona, fa ny fahatsaram-po marina. - RH, 27 Oktôbra 1885. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal