Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hita eo amin'ny zavaboary ny Fitiavany sy ny Voninahiny

Daty
Alahady 10 August 2025

"Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy? Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana." — Sa1. 8:4,5.

Mofon’aina:
Asain'ilay Ray be fitiavana (...) mitoky Aminy tahaka ny fitokian'ny zanaka amin'ny ray aman-dreniny eto an-tany isika. Matetika anefa isika no mahita olombelona mahantra sy malemy mivesatra ny fiahiana sy ny fahasahiranana izay tsy nataon'Andriamanitra hoentiny akory. Nampifamadihan' izy ireo ny filaharan-javatra; mikatsaka izao tontolo izao aloha izy ka ny fanjakan'ny lanitra no ataony ambin-javatra. Raha toa ny tsintsina izay tsy mihevitra izay ilainy amin'ny hoavy aza voakarakara, nahoana ny fotoana sy ny fifantohan'ny olombelona izay noforonina araka ny endrik'Andriamanitra no mifantoka tanteraka amin'ireny zavatra ireny? 

Nomen'Andriamanitra antsika ny porofo rehetra ny amin'ny fitiavany sy ny fiahiany; impiry anefa isika no tsy mahita ny tanany eo amin'ireo fitahiana tsy tambo isaina. Ny fahaiza-manao ananan'ny olombelona rehetra, ny fofon'aina ao anatintsika, ny fiadanana ankafizintsika rehetra, dia avy Aminy avokoa. Isaky ny mivory eo amin'ny latabatra ny ankohonana mba handray ny anjara famelombelomana ho azy, dia tokony hotsaroantsika fa fanehoana ny fitiavan'Andriamanitra izany rehetra izany. Moa ve horaisintsika ny fanomezana nefa holavintsika ny Mpanome? (...)

Rehefa napetraka tao amin'ny fonenany tao Edena i Adama sy i Eva, dia nanana ny zavatra rehetra izay nomen' ilay Mpamorona feno fiahiana mba hiadanany sy hahasambatra azy. Mbola tsy nankatô an'Andriamanitra ihany anefa izy ireo ka noroahina tsy ho ao amin'ilay fonenana maha-te ho tia intsony. Naseho antsika tao amin'ny fanomezana iray ny fitiavan'Andriamanitra lehibe avy eo, dia ny Zanany malalany. Raha tsy nandray ilay fanomezana ireo razambentsika, dia ho ao anatin'ny fahoriana tsy misy fanafany ny olombelona amin'izao fotoana izao. (...)

 (...) Na dia teo aza ny ozona natao tamin'ny tany, dia ny hitondrany tsilo sy hery, dia mbola misy voninkazo eo ambonin'ny tsilo. Tsy hoe fahoriana sy fijaliana avokoa no eto amin'izao tontolo izao. Mivelatra eo anoloantsika hianarantsika ny boky lehiben'ny natiora, ary avy aminy no hahazoantsika hevitra ambony mikasika ny fahalehibiazana sy ny voninahitr'Andriamanitra. — RH, 27 Oktôbra 1885. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal