Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mitondra hafa-panantenana sy fampaherezana ny zavaboary

Daty
Alarobia 13 August 2025

 "Mampandeha loharano eny amin'ny lohasaha Izy; eny anelanelan'ny tendrombohitra no alehan 'ireny, ka isotroan'ny bibi-dia rehetra, sy analan 'ny boriki-dia ny hetahetany." — Sal. 104:10,11.

Mofon’aina:
Ny zavaboary sy ny fanam-barana avy any ambony, dia samy mampiseho ny fitiavan' Andriamanitra ny olona. Ny Raintsika any an-danitra no loharanon'ny fiainana sy ny fahendrena ary ny fifaliana. Jereo ange ireo zava-mahagaga sy tsara tarehy amin'ny zavaboary e! Eritrereto ange izao fanamboarana azy mahatalanjona, ka tonga amin' izay ilana azy indrindra sy izay hampiadana, tsy ny olona ihany, fa ny zava-manana aina rehetra koa. Ny hainandro sy ny ranonorana, izay maharavoravo sy manavao ny tany; ny tendrombohitra sy ny ranomasina ary ny tany lemaka; ireny rehetra ireny dia samy milaza amintsika ny fitiavan'ny Mpamorona. (...)

(...) Efa nataon'Andriamanitra masina sy tanteraka ny olona tamin'ny voalohany. Ary fony vao nivoaka teo am-pelatanan'Ilay Nahary ny tanintsika, dia tsara tsy nisy kilema, ka tsy nahitana na dia aloky ny fanozonana kely akory aza. Fa ny fandikana ny lalàn'Andriamanitra -dia ny lalàn'ny fitiavana - no nitondra loza sy fahafatesana. 

Kanefa na dia ao amin'ny fijaliana vokatry ny fahotana aza, dia mbola miseho ihany ny fitiavan'Andriamanitra. Voasoratra fa nozonin'Andriamanitra ny tany noho ny nataon'ny olona. Ny tsilo sy hery, izany hoe fahasahiranana sy fahoriana izay mahatonga ny fiainantsika ho feno fanahiana sy asa mahareraka, dia voatendry hahasoa antsika, ho isan'ny fanamboarana ilaina amin'ny fikasan'Andriamanitra hampisondrotra antsika avy amin'ny faharavana (...) vokatry ny fahotana. 

Izao tontolo izao, na dia efa simba aza, dia tsy alahelo sy fahoriana avokoa tsy akory (...). Misy fampanantenana sy fampiononana eo amin'ny tenan'ny zavaboary. Fa misy voninkazo eny amin'ny hery, ary ny tsilo dia rakotry ny vonin-draozy. 

"Andriamanitra fitiavana" no voasoratra eny amin'ny tsiry vao mivelatra sy eny amin'ny ahitra vao mitsimoka. Ny vorona maha-te ho tia izay mampiravoravo ny habakabaka amin'ny hirany mahafinaritra, ny voninkazo misoratsoratra izay mandefa ny fofony manitra mamerovero eny amin'ny rivotra, ny hazo mijoalajoala ao an'ala izay miravaka ny raviny maitso mavana —Ireny rehetra ireny dia mitory ny fitiavana fatratra sy ny fitandremana ambony indrindra ataon'Andriamanitra ary ny faniriany hahasambatra ny zanany. — DHK, tt. 6-8. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.
Sun 03 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Mandehana ka manompoa an’i Jehôvah.
Mon 04 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fanokanana ny voalohan-teraka.
Tue 05 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Niampita ny ranomasina mena.
Wed 06 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Mandroso amim-pinoana.
Thu 07 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Ny hiran’i Mosesy sy i Miriama.
Fri 08 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fanampiny.
Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.
Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal