"Iza no tsy mahalala, raha mandinika ireny rehetra ireny, fa ny nanao izany dia ny tànan'i Jehovah, izay mitana ny ain'ny zava-manan’aina rehetra sy ny fofonain 'ny olombelona rehetra?" Jôba 12:9,10.
Mofon’aina:
Araka izany, rehefa mahazo fahalalana avy amin'ny mpam-pianatra sy ny boky ny ankizy sy ny tanora, dia aoka izy ireo hisintona lesona sy hamantatra ny fahamarinana ao anatin' izany. Ametraho fanontaniana ny amin'izay lesona tsoahiny eo am-pikarakarana ny zava-maniry izy ireo. Rehefa mijery ny tontolo manodidina izy, dia anontanio azy ny antony nampitafian'Andriamanitra ny tany sy ny hazo loko tsara tarehy samihafa. (...) Ampianaro izy ireo hahita ny porofo eny amin'ny natiora rehetra eny fa mihevitra antsika Andriamanitra, ary manao ny zavatra rehetra hifanaraka amin'izay ilaintsika sy mahasambatra antsika.
Izay mahita ny asan-tanan'ny Rainy any an-danitra eo amin'ny natiora, sy mahita ny sora-tanan'ny Tompo eo amin'ny harena sy ny fahatsaran-tarehin'ny tany no afaka hisintona lesona lehibe avy amin'izay manodidina azy, sy handray ny asa lehibe ataon'ireo. Izy ireny no afaka hahatakatra amin'ny fahafenoany ny lanjan'ny havoana sy ny Iohasaha, ny renirano sy ny ranomasina, ary mandray izany ho
fanehoana ny fisainan' Andriamanitra; manambara ny Mpamorona izany. ( ...) Tokony hampirisihina ny ankizy hitrandraka ao amin'ny natiora ireo lohahevitra maneho ny fampianaran'ny Baiboly.
(...) Tokony hojereny eo amin'ny natiora sy ny Soratra Masina izay maneho an'i Kristy rehetra, ary ireo izay nampiasainy hanehoana ny fahamarinana. Amin'izany no ianaran'izy ireo hahita Azy eny amin'ny hazo sy ny voaloboka, eny amin'ny lilia sy ny raozy, eny amin'ny masoandro sy ny kintana. Azon'izy ireo atao ny mianatra mihaino ny feony ao amin'ny hiran'ny vorona, eny amin'ny fihofahofan'ny hazo, ao amin'ny fidonan'ny kotroka, ary ao amin'ny feon-kiran'ny ranomasina. Ary hamerina ny lesona sarobidy amin'izy ireo ny zava-drehetra ao amin'ny natiora.
Tsy ho toera-manirery sy feno fahoriana intsony ny tany ho an'ireo izay mifankazatra amin'i Kristy. Ho fonenan'ny Rain'izy ireo izany, feno ny fanatrehan'Ilay nonina teo amin'ny olombelona fahiny. - Fk, tt. 130, 131, np.