Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona momba ny tombambidin'ny fankatoavana ny lalàna

Daty
Talata 19 August 2025

 "Tsy varidimiventy ihany va no vidin'ny tsintsina roa? Nefa tsy misy na dia iray akory aza amin'ireny ho latsaka amin'ny tany,  raha tsy avelan'ny Rainareo." — Mat. 10:29.

Mofon’aina:
Entin'Ilay Mpampianatra Lehibe hifandray amin'ny zavaboary ny mpihaino Azy mba handrenesany ilay feo izay miteny amin'ny voary rehetra. Rehefa mihamalefaka ny fony ary vonon-kandray ny sainy dia nampiany hahatakatra ny fampianarana ara-panahy ao ambadik'izay hitan'ny masony izy ireo. Ireo fanoharana, izay fomba tena tiany hampitana ny leson'ny fahamarinana, dia maneho ny fivelaran'ny Sainy eo amin'ny hery miasa manginan'ny zavaboary sy ny fitiavana manome lesona ara-panahy eo amin'ny fiainana andavanandro.

Ireo vorona eny amin'ny habakabaka, ireo lilia eny an-tsaha, ny mpamafy sy ny voa afafy, ny mpiandry ondry sy ny andian'ondriny, tamin'ny alalan'ireo no nanehoan'i Kristy sary an'ohatry ny fahamarinana tsy mety maty. Nandray toe-javatra teo amin'ny fiainana andavanandro koa Izy, zava-misy izay mahazatra ireo mpihaino Azy ny masirasira, ny harena miafina, ny perila, ny harato-tarihina, ilay farantsa kely very, ilay zanaka adala, ny trano teo ambony vatolampy sy fasika. Nisy zavatra mahaliana ny sain'ny rehetra sy antso niantefa tamin'ny fo hatrany tao amin'ny lesona nomeny. Amin'izany ny adidy andavanandro, raha nifantoka fotsiny tamin'ny asa ka mihazona ny saina tsy hisandratra ambony, dia hahazo fahazavana sy fanandratana avy amin' ilay mpampahatsiaro tsy miato momba ny zava-panahy sy ny tsy hita maso. 

Tokony hampianatra isika, araka izany. Aoka ireo ankizy hianatra hijery eo amin'ny zavaboary ny fanehoana ny fitiavana sy ny fahen-dren'Andriamanitra. Aoka ny fisainana momba Azy hampifandraisina amin'ny vorona sy ny voninkazo ary ny hazo; aoka ny zavatra hita maso rehetra ho mpanambara ny amin'izay tsy hita maso, ary ny toe-javatra rehetra eo amin'ny fiainana ho fitaovana mahomby hampitan'Andriamanitra fahalalana. 

Raha eo am-pianarana ireo lesona eo amin'ny voary rehetra sy ireo fanandramana eo amin'ny fiainana izy ireo, dia aoka hahatsapa fa ny lalàna mifehy ny zavaboary sy ny toe-javatra rehetra eo amin'ny fiainana no mifehy antsika koa. Nomena hahasoa antsika izany, ary ny fankatoavana izany ihany no ahitantsika ny tena fahasambarana sy ny tena fahombiazana. - Fk, tt. 111, 112. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.
Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sun 20 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Jehôvah sa ireo andriamani-kafa?
Mon 21 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Iza no nanamafy ny fon’i Farao?
Tue 22 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Ny loza telo voalohany.
Wed 23 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Lalitra, biby fiompy ary vay.
Thu 24 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Havandra, valala ary haizina.
Fri 25 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal