Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Milaza ny amin'ny Mpamorona ny zavaboary

Daty
Sabotsy 23 August 2025

"Aoka hidera Azy ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra mihetsika ao aminy. Fa Andriamanitra hamonjy an'i Ziona sady hanangana ny tanànan'ny Joda; ary hitoetra ao ny olony ka ho tompony." Sal. 69:34,35.

Mofon’aina:
Notendrena ho mpanambara ny momba an'Andriamanitra ny zavaboary iray manontolo. Ho an'i Adama sy i Eva tao amin'ny fonenany tany Edena, dia fenon'ny fahalalana an'Andriamanitra ny natiora, feno torolalana avy amin' Andriamanitra. (...) Vantany vao nandika ny lalàn'ny Avo Indrindra ireo mpivady feno fahamasinana ireo, dia niala teo amin'ny zavaboary ny famirap iratan' ny endrik'Andriamanitra. Nanjary simba sy voaloton'ny fahotana izany. Tsy mbola voafafa anefa ireo lesona avy amin'Andriamanitra; ary rehefa dinihina araka ny tokony ho izy sy halalinina ny zavaboary, dia hita fa miresaka momba ny Mpamorona.

Tahaka ny anehoana ny fahamarinan' Andriamanitra ao amin'ny Soratra Masina no anehoana izany koa, toy ny amin'ny fitaratra, eo amin'ny zavaboary; ary amin'ny alalan'ny zavaboariny no mahatonga antsika hifankazatra amin'ny Mpamorona. Manjary bokin-desona lehibe ny bokin'ny natiora, izay azon'ny mpanabe hendry ampiasaina, miaraka amin'ny Soratra Masina, mba hamerenana ireo ondry very ho ao am-balan'Andriamanitra. Rehefa dinihina ny asan-tanan'Andriamanitra, dia mitondra faharesen-dahatra ao an-tsaina ny Fanahy Masina. Tsy faharesen-dahatra izay ateraky ny fisainana manaraka ny lôjika anefa izany. Raha tsy hoe maizina loatra ny saina ka tsy mahalala an'Andriamanitra, jambena loatra ny maso ka tsy mahita Azy, harafesenina loatra ny sofina ka tsy mahare ny feony, dia ho takatra ny hevitra lalindalina kokoa ao amin'ny Soratra Masina ary ho tafatoetra ao am-po ireo fahamarinana ara-panahy ao.

Ny fomba mahomby indrindra hoenti-mampianatra ny jentilisa izay tsy mahafantatra an'Andriamanitra dia amin'ny alalan'ny asan'ny Tanany. Amin'izany fomba izany izay mora lavitra noho ireo fomba hafa no hitarihana azy habita ny fahasamihafana eo amin'ireo sampiny, ny asan'ny tanany, ary ilay Andriamanitra tena izy, dia ilay Mpamorona ny lanitra sy ny tany. — STE, 58-60. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (30)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal