Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manana ny anjarany ny malahelo

Daty
Alatsinainy 25 August 2025

 "An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy." — Sal. 24:1.

Mofon’aina:
Ny "andro fahafito amin 'ny volaa fahafito, dia amin'ny andro fanavotana no itsofanareo ny anjomara" amin'ny andro Jôbily eran-tany sy hiantsoana ny zanak'i Jakôba rehetra hiarahaba ny taom-panafahana. Narahabaina tamim-piravoravoana tahaka ny nanomboka tamin'ny andro lehibe fanavotana izay nanaovana ny famelana ny heloka rehetra vitan'ny Isiraely io taona io.

 Tahaka ny tamin'ny taona sabata koa, dia tahaka izany no tsy ahazoana mamafy na mijinja ny saha, amie' io taona io. Heverina ho anjaran'ny malahelo ara-dalàna izay vokatra rehetra hita. Misy sokajin'andevo hebreo - votsorana ho afaka amin'ny andro Jôbily, dia ireo rehetra tsy voavotsotra tamin'ny taona sabata.

Izay mampiavaka indrindra ny taona jôbily dia ny fiverenan'ny tany amin'ny havan'ilay tompom-pananana voalohany. Araka ny nandidian'Andriamanitra, dia efa voatsinjarazara ny tany ka tsy azo atao marina mihitsy ny mifanakalo tany. Tsy azo atao ny mivarotra ny taniny raha tsy hoe angaha ka voatery noho ny fahantrana. Tsy manam-pahefana handa tsy hivarotra ny tany ilay nahazo ny tany, raha tahiny ka ta hanavotra azy ilay tompon-dova na izay havany. Ary ny tany dia miverina avy hatrany amin'ilay tompony voalohany na ny mpandova azy, amin'ny taonan'ny jôbily (...)

 Ny antony dia ny hampahafantatra ny Isiraely etsy andaniny, fa ny tany nomena azy vetivety dia Andriamanitra no tompony ara-dalàna, ary etsy ankilany izy ireo izay mpanofa ny taniny dia natao hihevitra manokana indrindra ny malahelo, izay manana fahefana, mitovy amin'ny faran'izay manan-karena, hitoetra eo amin'ny tany. 

Izany sy izany no fitsipika naorin'Ilay Mpahary be famindrampo mba hoenti-mampihena ny fijaliana, sy mandefa tanamasoandro amin'ny fiainan' ireo niangaran'ny vintana sy ory koa hampamirapiratra ny kintan'ny fanantenana ao am-pony - PM, 537, 538. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (41)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal