Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miasà fa efa antomotra ny alin'ny tany

Daty
Talata 26 August 2025

 "Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin'ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria." — Dan. 12:3.

Mofon’aina:
Lehibe sady manan-danja ny asa nomena antsika, ary tena mila mpiasa hendry sy tsy tia tena, mpiasa izay mahatakatra ny hevitry ny fanoloran-tena ho amin'ny ezaka (...) ho famonjem-panahy. Tsy ilaina ny asa avy amin'ny lehilahy sy vehivavy matimaty izay tsy azon'i Kristy ampiasaina. Ny mpiasa ilaina dia ireo manana fo voakasiky ny fahorian'ny olombelona, ireo manana fiainana maneho porofo fa mandray ary manapariaka fahazavana sy fiainana ary fahasoavana. (...) 

Manavesatra matetika ny foko ny amin'ireo olona marobe tokony hiasa nefa tsy manao na inona na inona. Hazan'ny fakam-panahin'i Satana izy ireo. Ny mambran'ny fiangonana tsirairay izay manana fahalalana ny fahamarinana dia tokony hiasa raha mbola andro, fa ho avy ny alina izay tsy hahafahan'iza na iza miasa. Amin'izay vao ho azontsika ny hevitry ny hoe alina. Esorina tsy ho eto an-tany intsony ny fanahin'Andriamanitra. Ho tezitra amin' ny firenena iray hafa ny firenena iray. Fiomanana maneran-tany no atao ho amin'ny ady. Efa mby akaiky ny alina. Aoka ny fiangonana hifoha ka hanatanteraka ny asa ampanaovina azy. Ny mpino rehetra, na nandia fianarana na tsia, dia samy afaka mitondra ny hafatra avokoa. 

Misokatra eo anoloantsika ny mandrakizay. (...) Nahoana no mihevitra ny hifikitra amin'ny fitiavan-tena sy izay mahametimety ny fiainantsika isika nefa fanahy maro manodidina antsika no very? Moa nihamafy tahaka ny vato ve ny fontsika? Tsy afaka ny hahita ve isika ka hahatakatra fa manana asa hatao ho an'ny hafa? (...) Moa ve zava-poana ny nanomezan'Andriamanitra anao ny fahalalana ny sitrapony? Moa ve zava-poana ny nandefasany ireo fampitandremana nifanesisesy manambaranyfahantomoran'nyfarany? Moa ve ianao mino ny fanambaran'ny Teniny mikasika izay hiseho eto amin'izao tontolo izao? Moa ve ianao mino fa mihantona eo ambonin'izao tontolo izao ny fitsaran'Andriamanitra? Amin' ny fomba ahoana no ahafahanao mipetrapetraka maka aina, tsy miraika sy tsy taitra? — TFC, b. 9, tt. 26, 27.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (30)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal