Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fiasana sy fanoloran-tena lehibe kokoa.

Daty
Sabotsy 30 August 2025

"Fa raha tonga ny Fanahin'ny Fahamarinana, dia Izy no hitari-dàlana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo." — Jao. 16:13.

Mofon’aina:
Ny andro tsirairay mandalo dia mampanakaiky antsika amin'ny farany. Mampanakaiky antsika amin'Andriamanitra koa ve izany? Miambina amin'ny fivavahana ve isika? Mila fanampiana sy torolalana ireo izay mifanerasera amintsika isan'andro. Mety miaina toe-javatra iray izy, ka ny teny mahakasika izany izay asain'ny Fanahy Masina ambarantsika dia ho tahaka ny fantsika mitsatoka eo amin'izay tokony hisy azy indrindra. Rahampitso, ny sasany amin'ireo fanahy ireo dia mety ho any amin'ny toerana izay tsy hahatrarantsika azy intsony. Inona no hery miasa mangina avy amintsika eo amin'ireo mpivahiny namantsika ireo? Inona no ezaka ataontsika mba hamaboana azy ireo ho an'i Kristy?

Fohy ny fotoana, ary tsy maintsy alamina ny tafitsika mba hanao asa midadasika kokoa. Ilaina ny mpiasa mahatakatra ny halehiben'ny asa sy manolo-tena hanao izany, tsy noho ny karama azony amin'izany fa noho ny fahatakarana ny fahantomoran'ny farany. Mitaky fiasana lehibe kokoa sy fanoloran-tena lalindalina kokoa ny fotoana. Endrey, mameno ny saiko loatra izany hevitra izany ka mitaraina amin'Andriamanitra aho hoe: "Mitsangàna ka maniraha mpitondra hafatra mahatsapa ny andraikitra apetraka aminy, mpitondra hafatra izay efa nanombo tamin'ny hazo fijaliana ny fanindrahindrana ny tenany, izay fototry ny fahotana rehetra." (...)

 Andeha hapetratsika amin'Andriamanitra ny fitokisantsika ka handroso haingana isika, hanao ny Asany tsy amim-pitiavan-tena, hiankina Aminy amim-panetren-tena, hanolotra ny tenantsika sy ny fiainantsika anio sy amin'ny hoavy hotantanany amim-pahendrena, hihazona ny fitokisantsika tsy miovaova hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany, hahatsiaro fa tsy noho ny fahamendrehantsika no handraisantsika ny fitahian'ny lanitra fa noho ny fahamendrehan'i Kristy, ary hanaiky ny fahasoavan'Andriamanitra manana amby ampy amin'ny alalan'ny finoana Azy. — TFC, b. 9, U. 27-

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (30)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal