NY LALANA, TENY FIKASAN' ANDRIAMANITRA HO ANTSIKA
Vakio ny Rom. 3:20-24. Na dia mazava aza ny ambaran'i Paoly ta tsy azo vonjena avy amin'ny fitandremana ny didy folo isika, ahoana àry ny tokony ho anjara asan'ny lalana eo amin'ny fiainantsika?
Tsy midika ara-bakiteny hoe "didy" fa "teny" ny teny hebreo dabarim izay ampiasaina ao amin'ny lahatsoratr'i Mosesy hoenti-manondro ny didy folo (Eks. 34:28; Deo. 4:13; Deo. 10:4). lo "teny" io, dabar (manondro zavatra tokana) dia mety hanana ny hevitry ny hoe "fampanantenana". Izany no antony andikana ny teny hoe dabar amin'ny anarana na matoanteny maneho ny hevitry ny "teny fikasana", any amin'ny boky maro ao amin'ny Baiboly (1 Mpanj. 8:56; 2 Tant. 1:9; Neh. 5:12, 13; Deo. 1:11; Deo. 6:3; Deo. 9:28; Jos. 9:21; Jos. 22:4; Jos. 23:5).
Manome fanazavana mikasika ny asan'ny didy folo i Ellen G. White: "Ny didy folo dia (...) teny fikasana folo." - SDABC, b. 1, 1. 1105. Tokony ho takatsika fa ny didy folo dia teny fikasana avy amin'Andriamanitra izay hitarika antsika eo amin'ny lala-marina mba hahafahany manao zava-mahatalanjona ho antsika. Tsy maintsy mankato ireny anefa isika.
Vakio ny Rôm. 10:4. Ahoana no tokony handraisantsika ny fanambaran'i Paoly izay manondro an'i Kristy ho "faran'ny lalana"?
Ambaran'i Paoly fa i Jesôsy Kristy no telos an'ny lalana; tsy midika izany fa manafoana ny lalana i Kristy na koa manao ny lalana ho tsinontsinona. Tsy izany, fa i Kristy no tanjona sy zava-kendren'ny lalana; tsy manafoana ny lanjan'ny lalana sy ny maha-manan-kery azy tsy akory ny sorona nataony ho fanavotana.
Miresaka momba ny lanjan'ny lalana i Paoly etsy ankilan'izany; ambarany fa manan-kery ny lalana ary manana fahefana mandrakizay (Rôm. 3:31, 1 Kôr. 7:19; Gal. 5:6). Tsy mifandraika amin'ny fotoana tsy akory ny hevitry ny teny hoe telos fa mifandraika amin'ny tanjona sy ny idealy. I Kristy no fanalahidy mahavaha ny tena hevitry ny lalàn'Andriamanitra sy ny tanjonizany. Araka izany, dia diso ny filazana fa nanaisotra ny fananan-kerin'ny lalana sy nanolo na koa nanafoana azy i Kristy. Izy no tanjon'ny lalana, Ilay iray izay tondroin'izany.
Ahoana no ampitodihan'ny lalana antsika amin'l Jesôsy ? Izany hoe, Inona no ambaran'ny lalàna amintsika momba ny tenantsika ka mahatonga antsika hankeo Aminy?