Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lazao ny hafa mba ho tia sy hankato an’i Kristy.

Daty
Alatsinainy 01 September 2025

"Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehôvah , sady mpanompoko izay efa nofidiko, mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ka ho azonareo tsara fa lzaho no Izy; Talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona, sady tsy hisy handimby Ahy." Isa. 43:10.

Mofon’aina:

Miezaka mandrakariva i Satana manodina antsika hiala amin’ny fahatokiana sy ny fahavitrihana amin’ireo asa manan-danja amin’ny fiomanana amin’ilay toe-javatra lehibe izay hizaha toetra ny fanahin’ny tsirairay. Mitohy ny asa ao amin’ny fitoerana masina any an-danitra. Manadio ny fitoerana masina i Jesôsy . Mitovy amin’ny asa atao any an-danitra ny asa atao ety an-tany. Miasa tsy an-kiato ireo anjelin’ny lanitra mba hisarihana ny olombelona, ireo izay velona, mba hijery an’i Jesôsy sy hibanjina Azy, mba hahatonga azy ireo ho resy lahatra ny amin’ny tsy fahatanterahan’ny toetrany eo am-pahitana ny fahatanterahan’i Jesôsy. Hoy i Kristy (...) momba ilay Mpananatra nampanantenaina: “Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy”. Izany no votoatin’ny hafatra torina ankehitriny. (...)

Mitenena tahaka ny nitenenan’i Kristy. Miasà tahaka ny niasany. Tsy maintsy mijery an’i Kristy isika, dia ho velona. Rehefa tsapantsika ny fahatsaran’i Kristy, dia haniry fatratra ny hampiseho ny hatsaram-panahiny sy ny fahamarinany isika. Amin’ny alalan’ny fibanjinana an’i Kristy no hahatonga antsika hiova ho araka ny endriny. (...) Hiravoravo amin’ny fifaliana tsy hay lazaina sy feno voninahitra isika. Rehefa izay, dia asaina isika hiditra ao amin’ny tanàna sy tanàn-dehibe hafa, amin’ny fo mamirapiratry ny fitiavan’Andriamanitra, mba hilaza aminy ny vaovao mahafaly (...).

Lazao amin’ny hafa ireo fahamarinana mirakitra fitahiana ao amin’ny Teniny (...). [Lazao azy ireo] fa ny fitiavantsika Azy no ataony manesika antsika hitandrina ny didiny. Ataony izany, tsy ny handrisihana antsika hanao zavatra tsy ho vita tsy akory, fa satria fantany ny hevitr’izany mitandrina ny didin’ny Rainy izany. Iriny raha ny fanahy tsirairay izay mandre ny fanasany no hanasa ny hafa koa, ary handray ny fanomezany sarobidy indrindra. Fantany mantsy fa rehefa mitandrina ny didin’Andriamanitra isika dia tsy tonga andevo tsy akory, fa ho olona afaka kosa amin’ny alalan’ny ran’i Jesôsy Kristy. “Ary ny mpanomponao dia hazavain'ireny; amin’ny fitandremana azy [ny didiny] misy valiny lehibe.” – Sal. 19:11. — UL, t. 344.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal