Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lazao ny hafa mba ho tia sy hankato an’i Kristy.

Daty
Alatsinainy 01 September 2025

"Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehôvah , sady mpanompoko izay efa nofidiko, mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ka ho azonareo tsara fa lzaho no Izy; Talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona, sady tsy hisy handimby Ahy." Isa. 43:10.

Mofon’aina:

Miezaka mandrakariva i Satana manodina antsika hiala amin’ny fahatokiana sy ny fahavitrihana amin’ireo asa manan-danja amin’ny fiomanana amin’ilay toe-javatra lehibe izay hizaha toetra ny fanahin’ny tsirairay. Mitohy ny asa ao amin’ny fitoerana masina any an-danitra. Manadio ny fitoerana masina i Jesôsy . Mitovy amin’ny asa atao any an-danitra ny asa atao ety an-tany. Miasa tsy an-kiato ireo anjelin’ny lanitra mba hisarihana ny olombelona, ireo izay velona, mba hijery an’i Jesôsy sy hibanjina Azy, mba hahatonga azy ireo ho resy lahatra ny amin’ny tsy fahatanterahan’ny toetrany eo am-pahitana ny fahatanterahan’i Jesôsy. Hoy i Kristy (...) momba ilay Mpananatra nampanantenaina: “Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy”. Izany no votoatin’ny hafatra torina ankehitriny. (...)

Mitenena tahaka ny nitenenan’i Kristy. Miasà tahaka ny niasany. Tsy maintsy mijery an’i Kristy isika, dia ho velona. Rehefa tsapantsika ny fahatsaran’i Kristy, dia haniry fatratra ny hampiseho ny hatsaram-panahiny sy ny fahamarinany isika. Amin’ny alalan’ny fibanjinana an’i Kristy no hahatonga antsika hiova ho araka ny endriny. (...) Hiravoravo amin’ny fifaliana tsy hay lazaina sy feno voninahitra isika. Rehefa izay, dia asaina isika hiditra ao amin’ny tanàna sy tanàn-dehibe hafa, amin’ny fo mamirapiratry ny fitiavan’Andriamanitra, mba hilaza aminy ny vaovao mahafaly (...).

Lazao amin’ny hafa ireo fahamarinana mirakitra fitahiana ao amin’ny Teniny (...). [Lazao azy ireo] fa ny fitiavantsika Azy no ataony manesika antsika hitandrina ny didiny. Ataony izany, tsy ny handrisihana antsika hanao zavatra tsy ho vita tsy akory, fa satria fantany ny hevitr’izany mitandrina ny didin’ny Rainy izany. Iriny raha ny fanahy tsirairay izay mandre ny fanasany no hanasa ny hafa koa, ary handray ny fanomezany sarobidy indrindra. Fantany mantsy fa rehefa mitandrina ny didin’Andriamanitra isika dia tsy tonga andevo tsy akory, fa ho olona afaka kosa amin’ny alalan’ny ran’i Jesôsy Kristy. “Ary ny mpanomponao dia hazavain'ireny; amin’ny fitandremana azy [ny didiny] misy valiny lehibe.” – Sal. 19:11. — UL, t. 344.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal