Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Adidin’ny rehetra ny mitory.

Daty
Talata 02 September 2025

" Fa hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany. " Asa. 1:8.

Mofon’aina:

Ravoravo ny foko raha nahita fa tena maro tamin’ireo vao niova fo no mbola tovolahy sy tovovavy. Nanjary nalefaka sy nanjakan’ny fitiavan’i Jesosy ny fon’izy ireo, raha nahatsapa ny asa tsara nataon’Andriamanitra ho an’ny fanahiny. Tena vanim-potoana sarobidy tokoa izany. “Fa amin’ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ny vava no anekena hahazoana famonjena.” – Rôm. 10:10. Enga anie ka tsy hanary na oviana na oviana ny hafanan’ny fitiavany voalohany ireo fanahy ireo (...).

Zava-dehibe ny hahatsapan’ireo izay vao niditra ao amin’ny finoana ny andraikiny amin’Andriamanitra, izay niantso azy ireo ho amin’ny fahalalana ny fahamarinana sy nameno ny fony tamin’ny fiadanany masina, mba hananan’izy ireo hery miasa mangina manamasina eo amin’ireo izay ifaneraserany. “Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehôvah”.

Nanankinan’Andriamanitra asa ny olona tsirairay mba hampahafantatra ny famonjeny amin’izao tontolo izao. Tsy misy fitiavan-tena na fizahan-tavan’olona eo amin’ny tena fivavahana marina. Mahenika izao rehetra izao sady mahery ny filazantsaran’i Kristy. Faritana ho toy ny fanasin’ny tany, masirasira manova ny zava- drehetra, fanazavana mamirapiratra ao anatin’ny haizina izany. Tsy haintsika ny hihazona ny fankasitrahana sy ny fitiavan’Andriamanitra ary hifaly amin’ny fifandraisana Aminy, kanefa tsy hahatsapa ny andraikitsika manoloana ireo fanahy izay nahafatesan’i Kristy, mitoetra ao anatin’ny fahadisoana sy ny haizina, ka very ao anatin’ny fahotany.

Raha ireo izay milaza fa mpanara-dia an’i Kristy no tsy mitondra tena tahaka ny fahazavana ho an’izao tontolo izao, dia hiala amin’izy ireo ilay hery mahavelona (...). Tsy maintsy manandratra ny hazo fijaliana ny rehetra, ary handray amim-pahatsorana sy fitiavana ary fanetren-tena ny adidy nankinin’Andriamanitra taminy, ka hanao ezaka manokana ho an’ireo manodidina azy, izay mila fanampiana sy fahazavana.

Izay rehetra manaiky izany adidy izany dia hanana traikefa maro isan-karazany, ho feno hafanam-po, ary hohatanjahina sy hovelombelomina hahazo hery vaovao sy maharitra mba hiasa amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena azy ireo, satria Andriamanitra no miasa ao anatiny na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony. — RH, 21 Jolay 1891.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal