Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ento hatraiza hatraiza

Daty
Alarobia 03 September 2025

"Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra." - Mat. 5:16.

Mofon’aina:
Hisy vokany be lavitra mihoatra noho ny toriteny ny asa mivaingana ataontsika. Tokony hanome hanina ny noana, hampitafy ny mitanjaka sy hampiantrano ny manjenjena isika. Ary antsoina isika hanao mihoatra noho izany. Ny fitiavan' i Kristy ihany no afaka manome izay ilain'ny fanahy. Raha mitoetra ao amintsika i Kristy dia ho feno ny firaisam-po amin'Andriamanitra ny fontsika, ary hisokatra ny loharanon'ny fitiavana midedadeda tahaka ny Azy. (...)

Betsaka ireo efa nilaozan'ny fanan-tenana. Avereno aminy ny fahazavan'ny masoandro. Betsaka no efa kivy. Ilazao teny fampaherezana izy. Mivavaha ho azy. Ao koa ireo izay mila ny mofon' aina. Vakio aminy ny tenin'Andriamanitra. Betsaka no ampijalin'ny aretim-panahy izay tsy mety ho tratry ny balisaman'ny tany, na azon'ny dokotera sitranina. Mivavaha ho an' ireny fanahy ireny, ento eo amin'i Jesôsy izy. Lazao azy fa misy balisama any Gileada ary misy Mpanasitrana mahery any. (...)

 Ny tany manontolo izay very ao anatin'ny haizin'ny fahotana, haizin'ny alahelo sy ny fahoriana dia tokony hohazavaina amin'ny fahalalana ny fitiavan'Andriamanitra. 

Tsy hanavakavaham-poko na saranga na sokajy, fa natao ho an'ny olona rehetra ny famirapiratan'ny fahazavana avy eo amin'ny seza fiandrianana any an-danitra. 

Tsy maintsy hoentina hatrany amin'ny faran'ny tany ny hafatry ny fanantenana sy ny famindram-po. (...)

Nefa tsy misy olona afaka mizara izay tsy noraisin'ny tenany. Eo amin'ny asan'Andriamanitra dia tsy afaka hamorona na inona na inona ny olombelona. (...). Io no diloilo mijononoka avy amin'ireo mpitondra hafatra any an-danitra ho ao amin'ireo fantsona volamena, hotarihina avy ao amin'ny fitoeran-diloilo volamena ho amin'ny fanaovan-jiro ao amin'ny fitoerana masina; io diloilo volamena io no mahatonga jiro mazava sy mamirapiratra mandrakariva. Io no fitiavan'Andriamanitra mifindra lalan-dava amin'ny olona, ka mahatonga azy ho afaka mizara fahazavana. Ao amin'ny fon'ireo rehetra izay miray amin'Andriamanitra amin'ny finoana no mijononoka malalaka ny diloilo volamenan'ny fitiavana izay hamirapiratra indray amin'ny asa tsara, amin'ny tena fanompoana an'Andriamanitra vokatry ny fo. – HF, tt. 436,437 (ed. 2004). 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal