Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Homboy aloha ny "izaho"

Daty
Alakamisy 04 September 2025

"Nisy lehilahy nirahin'Andriamanitra, Jaona no anarany. Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan'ny olona rehetra noho ny teniny." -Jao. 1:6,7.

Mofon’aina:
Izao no tenin'Andriamanitra amin-tsika: "Koa amin'izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra." – Mat. 5:48. Miantso ny olona rehetra mba hanombo ny izaho Izy. Hitombo hery ao Aminy ireo izay hamaly ny antsony. Mianatra isan'andro amin'i Kristy izy ireo, ary arakaraka ny ianarany no mahalehibe ny faniriany hanorina ny fanj akan' Andriamanitra, amin'ny alalan'ny fanampiana ny mpiara-belona aminy. (...) Arakaraka ny haben'ny tombontsoa sy ny fahafaha-manao ary ny fitaovana ananan' izy ireo ho an'ny asa kristianina no ahatsapany ny adidy lehibe kokoa tokony hiasany ho an'ny hafa. 

Miezaka mandrakariva ny haneho ny tenany ny olombelona. Tsy maintsy foanana ao anatin'ny olona izay natao tanteraka ao amin'i Kristy ny avonavona sy ny fiheverana ho mahavita tena. Rehefa izay dia hisy fahanginana ao anatin'ny fanahy, ho re ny feon'Andriamanitra, ary tsy ho voasakantsakana ny fidiran'ny Fanahy Masina. Avelao hiasa ao anatinao sy amin'ny alalanao Andriamanitra. Amin'izay dia afaka hilaza miaraka amin'i Paoly ianao manao hoe: "tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko." – Gal. 2:20. (...) 

Hoy i Kristy: "Izaho • avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be." – Jao. 10:10. Io fiainana io no tsy maintsy ananantsika mba hahafahantsika miasa ho an'i Kristy, ary tsy maintsy ananantsika "be dia be". Hanome fiainana ho an'ny fanahy tsirairay izay maty ny amin'ny tena Andriamanitra. Fandavan-tena tanteraka no ilaina, raha tsy izany dia hoentintsika miaraka amintsika ny zavatra izay hanimba ny fahasambarantsika sy ny asantsika. (...)

Raisin' Andriamanitra ireo izay manombo ny izaho, ka ataony fanaka homem-boninahitra. Toy ny tanimanga eo an-tanan'ny mpanefy izy ireo rehefa eo an-tanan'Andriamanitra, ary manatanteraka ny sitrapony amin'ny alalan' izy ireo Izy. (...) Tsapan'izy ireo fa tsy maintsy mivelona amin'ny fiainana izay nive loman ' i Jesosy izy ireo eto amin'izao tontolo izao fiainana afaka amin'ny fitiavan-tena rehetra; ary manampy azy ireo Izy mba hijoro ho vavolombelona ho Azy, hitaona fanahy ho eo amin'ny hazo fijalian'i Kalvary. — ST, 9 Avrily 1902. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal