Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miara-miasa amintsika ny anjely

Daty
Sabotsy 06 September 2025

 "Izy no ambaran'ny mpaminany rehetra, fa amin'ny anarany no hahazoan'izay rehetra mino Azy famelan-keloka." - Asa. 10:43.

Mofon’aina:
Miasa amin'ny alalan'ireo anjelin'ny lanitra Andriamanitra mba hahatonga ireo mahalala ny fahamarinana hifan-dray amin'ireo fanahy izay mila fahazavana sy fahalalana. Vakio ny Asa. 10. Nijery ny fanoloran-tena sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra nananan'i Kômelio ilay Andriarnanitry ny lanitra. (...)

Naniraka ny anjeliny ny Tompo mba hampahafantatra izany tamin'i Kôrnelio, sy hampifandray azy amin'ny apôstôly Petera. Nolazain'ilay anjely mihitsy ny toerana nisy an'i Petera, ary nanome toky izy fa hilaza aminy izay tokony hataony i Petera. Rehefa izay dia nisy anjely iray nirahina nankany amin'i Petera mba hanaisotra ny fisalasalany mikasika ny fananan-draharaha amin'ny Jentilisa. "Izay efa nodiovin 'Andriamanitra dia aza ataonao ho fady". Raha mbola nieritreritra momba ilay fanambarana hafahafa nomena azy i Petera, dia hoy ny Fanahy taminy: "Indreo, misy telo lahy mitady anao; fa mitsangàna hianao, (..) ary mandehana miaraka aminy, ka aza misalasala, fa Izaho no naniraka azy." –Asa. 10:15,17. 

Mifandray ety amin'ity tontolontsika ity tokoa ny lanitra raha izany tantara izany! Ary teo amin' ilay tohatra izay hitan'i Jakôba dia nisy anjelin'Andriamanitra niakatra sy nidina. Teo an-tampon'ilay tohatra Andriamanitra, ary nisy tara-pahazavana be voninahitra namirapiratra avy eny an-danitra ka hatrety an-tany. Mbola tsy tahaka io fifandraisana io mandraka ankehitriny.

Ary inona no vokatry ny fifandraisan'Andriamanitra tamin'i Kôrnelio? Vakio ilay tantara sarobidy ka ianaro, ary miderà an'Andriamanitra; satria natao ho antsika ny lesona ao anatiny. (...) (Asa. 10:42,43). 

Rehefa nilaza ireo zavatra ireo i Petera, dia nirotsaka tamin'izay rehetra nandre ny Fanahy Masina, ary dia natao batisa tamin'ny anaran'ny Tompo izy ireo. Araka izany dia nisy vondrona mpino kristianina natsangana tany Kaisaria mba hitondra ny fahazavan'ny fahamarinana. 

Io no asa tokony hatao ankehitriny. Manana hafatra hotorina amin'ny olona isika. (...) Hoy ny fanambaran'i Kristy: "Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mina Ahy tsy mba hangetaheta intsony. (..) Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy." – Jao. 6:35-37. - (Australasian) UCR, 1 Janoary 1900. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal