Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tandremo ny teninao

Daty
Alahady 07 September 2025

"Mandehana amin'ny fahendrena amin'izay eo ivelany, hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa. Aoka ny fiteninareo ho amin'ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra." Kôl. 4:5,6.

Mofon’aina:
Marina fa nobaikoina isika hoe: "Ezaho ny fiantsonao, fa aza atao malemy; Asandrato ny feonao ho tahaka ny an'ny anjomara, ka ambarao amin'ny oloko ny fahadisoany, ary amin'ny taranak'i Jakoba ny fahotany" - Isa. 58:1. Tsy maintsy ampitaina io hafatra io; kanefa na tsy maintsy aza, dia tokony hitandrina isika mba tsy hanosika na hanery na hanameloka ireo izay tsy manana ny fahazavana izay ananantsika. (...)

Ireo izay manana tombontsoa lehibe sy fahafahana, kanefa tsy mikolokolo ny heriny ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy, fa manao izay mahafinaritra ny tenany fotsiny ary mandà tsy hanao ny andraikiny, dia tandindomin-doza sy meloka kokoa eo anatrehan'Andriamanitra, noho ireo izay ao anatin'ny fahadisoan'ny foto-pampianarana, kanefa miezaka manao soa amin'ny hafa mandritra ny fiainany. Aza manome tsiny ny hafa; aza manameloka azy ireo. (...)

Mila mitandrina tsara isika mba tsy hanameloka ireo izay tsy meloka noho isika eo anatrehan'Andriamanitra. 

Aoka hotsaroan'ny tsirairay fa tsy tokony hiantso fanenjehana velively isika. Tsy tokony hampiasa teny henjana na mandratra isika. Aza avela hisosoka ao anatin'ny lahatsoratra izany, ary aza ampidirina ao anatin'ny lahateny. Aoka ny Tenin'Andriamanitra no hanin-drontsindrona sy hananatra. (...) Aoka ny rehetra hitandrina amin'ny teniny, andrao hanohitra sy hahafaty antsika aza ireo izay tsy mitovy finoana amintsika, ka hanome hirika ho an'i Satana hampiasa ireny teny tsy voahevitra ireny hanakanana ny lalantsika. 

Tsy maintsy hisy ny fotoan-tsarotra lehibe, izay tsy mbola nisy hatrizay nisian'ny firenena. Ny asantsika dia ny mianatra manaisotra amin'ny toritenintsika izay rehetra mamofompofona valifaty sy fihantsiana, na mitondra fanafintohinana ho an'ny fiangonana sy ny isam-batan'olona, satria tsy izany no fomba fiasan'i Kristy. 

Tsy nahavita ny adidiny araka ny fahazavana nomena azy ao amin'ny Tenin'Andriamanitra ny vahoakan' Andriamanitra mahalala ny fahamarinana; koa mainka tokony hitandrina kokoa isika andrao hanafintohina ny tsy mpino, mialoha ny handrenesany ny anton'ny finoantsika mikasika ny Sabata sy ny Alahady. — TFC, b. 9, U. 243,244. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal