Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

lainana ny maha-Kristianina

Daty
Talata 09 September 2025

 "Fantatrao ny didy hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Aza manambaka, Manajà ny rainao sy ny reninao." – Mar. 10:19.

Mofon’aina:
Ny olona izay tsy hanaiky ny fitakian'ny lalàn' Andriamanitra, izay mazava tokoa, dia hanana fiainana tsy tan-dalàna ankapobeny; ela niandaniana tamin' ilay mpikomy lehibe mantsy izy ary ela nanoherana ny lalàn'Andriamanitra, izay fototry ny fanjakany any an-danitra sy ety an-tany, hany ka efa za-draharaha amin'izany ady izany. Tsy sokafan'izy ireo na ny masony na ny sainy mba hidiran'ny fahazavana. Akimpin'izy ireo ny masony, andrao hahazo fahazavana izy ireo.

Tsy misy antenaina ny amin'izy ireny, tahaka ireo Jiosy izay tsy nety nijery ny fahazavana nentin'i Kristy ho azy. Tokony ho nanalefaka sy nampietry ny fony, ary nandresy ny sain-dratsy nibahana tao anatiny ireo porofo mahatalanjona nomen'i Kristy momba ny maha-Mesia Azy, dia ireo fahagagana sy fanasitranana ary fananganana amin'ny maty, izay tsy mbola nisy olona nahavita na ho afaka hanao izany afa-tsy i Kristy. Tsy izany anefa fa mainka nanetsika fankahalana sy haromotana tao anatin' izy ireo izany, dia tahaka ny firehetan'ny fahatezeran'i Satana rehefa noroahina tany an-danitra izy. Arakaraka ny nitomboan'ny fahazavana sy ny porofo nananan'izy ireo, no nitomboan'ny fankahalany koa. Tapa-kevitra hamono ilay fahazavana izy ireo, amin'ny alalan'ny famonoana an'i Kristy. (...)

Ny manararaotra ny fotoana tsirairay no asantsika, mba hanehoana ny fahamarinana amin'ny fahadiovany sy ny fahatsorany any amin'ny toerana izay tsy misy faniriana na fahalianana handre ny anton'ny finoantsika. Ireo izay revo misaintsaina ny faminaniana sy ireo foto-pampianarana ao amin'ny finoantsika, dia aoka ho tonga mpianatra Baiboly mpampihatra amin'ny fiainana, tsy misy hataka andro. Tokony hanovo lalina kokoa ao amin'ny loharanon'ny fahamarinan'Andriamanitra izy ireo. Aoka hodinihiny tsara ny fiainan'i Kristy sy ireo lesona ara-panahy tsotra nomeny. Nataon'i Kristy ho tombontsoa sy ho fitsipi-piainana ho an'izay rehetra mino ny anarany izany. Aoka ho vonton'ny toe-panahin'ilay Ohatra lehibe arahiny izy ireo, ary hanana fiheverana ambony ny fiainana masin'ny mpanara-dia an'i Kristy. —TFC, b. 3, tt. 213,214. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal