Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mijoroa ho vavolombelona

Daty
Alarobia 10 September 2025

 "Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy, mba hotanterahina tokoa amin'ny ataoko ny fitorian-teny, ary mba ho ren'ny jentilisa rehetra izany." – 2 Tim. 4:17.

Mofon’aina:
Manapaha hevitra, tsy amin'ny herin'ny tenanao fa amin'ny hery sy ny fahasoavana avy amin'Andriamanitra, ny hanolo-tena ho Azy izao ankehitriny izao. Atolory Azy ny herinao sy ny fahaizanao rehetra. Rehefa izay dia hanaraka an'i Jesosy ianao rehefa mibaiko anao Izy, ary tsy hanontany ianao hoe hankaiza, na hoe inona no valisoa ho azonao. Hahafinaritra anao ny mankatà ny teny hoe: "Manaraha Ahy". Ny anjaranao dia ny mitarika ny hafa ho eo amin'ny fahazavana, amin'ny fahendrena sy ny fahatokiana. Eo ambanin'ny fiarovan'ilay Mpitarika any an-danitra, dia mivonôna hanao zavatra, ary manapaha hevitra hiasa, tsy amim-pisalasalana.

Rehefa maty ny "izaho", rehefa milefitra amin'Andriamanitra ianao ka manao ny asany sy mamela ny fahazavana nomeny anao hamirapiratra amin'ny alalan'ny asa tsara, dia tsy hiasa samirery ianao. Eo mandrakariva ny fahasoavan'Andriamanitra, miara-miasa amin'ny ezaka tsirairay, ho fanazavana ireo tsy ampy fahalalana sy ireo izay tsy mahafantatra fa efa antomotra ny fiafaran'ny zava-drehetra.

Tsy hanao ny anjara asanao anefa Andriamanitra. Mety hamirapiratra tokoa ny fahazavana, kanefa tsy hanova ny fonao ny fahasoavana nomena anao raha tsy manainga anao hiara-miasa amin'ny lanitra izany. Antsoina ianao hitafy ny fiadian'ny Kristianina ka hamonjy ny laharanao amin'ny asa fanompoana ny Tompo, toy ny miaramila mavitrika. Tsy maintsy miara-miasa amin'ny ezaka ataon'ny olombelona ny herin'Andriamanitra mba handresena ny fanangolen'ny fahavalo ny fanahin'ny olona. (...)

Aoka ny fonao hoentanim-pitiavana ho an' ireo fanahy very. Maneke hotaomina araka fitarihana avy any an-danitra ambony. Aza mampalahelo ny Fanahy Masina amin'ny fangatahana andro. Aza toherina ny fomba fiasan'Andriamanitra ho fanafahana ny fanahy amin'ny fanandevozan'ny fahotana. Nomena asa ny tsirairay, araka izay fahaizany avy. Manaova ny tsara indrindra, dia heken'Andriamanitra ny ezaka ataonao. — TFC, b. 8, tt. 55,56. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal