Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fanompoan-tsampy sy ny faharatsiana.

Daty
Alatsinainy 08 September 2025

NY FANOMPOAN-TSAMPY SY NY FAHARATSIANA

Vakio ny Eks. 32:6. Nitarika azy ireo ho amin'inona sahady ilay fanompoan-tsampiny? (Jereo koa ny Sal. 115:4-8; Sal. 135:15-18: Isa. 44:9.10.)

Mitovy endrika amin'ilay andriamanitra omby egyptianina antsoina hoe Apis, na ilay andriamanitra ombivavy antsoina hoe Hathor, ilay ombilahy kely volamena. Fanitsakitsahana miharihary ny didy voalohany sy faharoa izany (Eks. 20:3-6). Tsy azo avela amin'izao tsy misy famaizana io fandikan-dalana io satria nanapaka mivantana ny fifandraisan'izy ireo tamin'llay Andriamanitra velona izany. Raha tokony ho nivavaka tamin'ny Mpahary azy ny Isiraelita, dia nivavaka tamin'ny zavatra noforonin'ny tanany izy ireo, izay tsy mahita, na mandre, na mahatsapa, na miteny, na mikarakara, na mitia, na mitarika.

Nivadika ny rasa: Raha tokony ho takatr'izy ireo fa voary noforonina araka ny endrik'Andriamanitra izy ireo, dia tsy izany fa namorona andriamanitra izy ireo, izay tsy araka ny endrik'izy ireo akory fa ratsy kokoa noho izany - araka ny endriky ny biby, lo ve no andriamanitra tian'izy ireo hotompoina? Araka izany dia fahotana lehibe teo anatrehan'i Jehôvah no nataon'izy ireo (Isa. 31:7; Isa. 42:17).

Maneho izay voalaza ao amin'ny Rôm. 1:22-27 ilay fihemoran'ny zanak'Isiraely tamin'ny nanamboarany ombilahy kely volamena: amin' ny fomba ahoana?

Ny fanompoan-tsampy dia mandà ilay hevitra teolojika hoe: Andriamanitra dia Andriamanitra ary ny olombelona dia olombelona. Fafan'ny fanompoan-tsampy ny elanelana misy eo amin'Andriamanitra sy ny olona (Mpitt. 5:1) ary tapahiny ny fifandraisana amin'Andriamanitra. Na mibaribary na miafina ao am-po ny fanompoan-tsampy, dia tapahiny faingana ny fifandraisantsika amin'ny Tompo, ary taominy ho amin'ny fitotonganana ara-pitondrantena isika. Tsy mahagaga raha miresaka momba izay nataon'ny Isiraely ny ampitson'iny ny lahatsoratra: rehefa avy nanolotra fanatitra ho an'ny sampy izy ireo, dia nanomboka nanao lanonana, izay lazain'i Ellen G. White hoe: "fetim-pivavahana jentilisa izay hala-tahaka nalaina avy tamin'ny fanompoan-tsampy tany Egypta." - PM, ed. 2014, 1. 307 (np).

Havanana amin'ny fanamboarana ny sampiny ny olombelona. Mamorona andriamanitra ho an'ny tenany izy ireo, ary ratsy noho izany aza, lasa manompo ireo andriamanitra ireo izy. Soloana zavatra ny Mpamorona, ary na ho ela na ho haingana dia hahatonga fahasimbana ara-pitondrantena izany.

Amin'ny fomba ahoana koa no iankohofan'ny olona amin'ny voary ankehitriny fa tsy amin'ny Mpahary?
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal