FIANARANA FANAMPINY
Vakio "Ny fanompoan-tsampy tao Sinay", PM, tt. 302-314.
Manasongadina ny asan'Andriamanitra ao amin'ny mpino ny lesontsika tamin'ity herinandro ity. "Mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza Andriamanitra, ao amintsika "- Efes. 3:20. Aoka tsy hifantoka amin'ny tenantsika isika ka hanome fahafaham-po ny fanirian'ny tenantsika; mitarika ho amin'ny fanompoan-tsampy mantsy izany. Aoka hifantoka amin'Andriamanitra sy ny heriny kosa ny saintsika. Izy no manome ny hery izay mitondra ho amin'ny fiainana vaovao sy feno fandresena (Fil. 4:13; Joda 1:24,25).
"Mifandanja tsara anefa na ny fitiavana na ny fahamarinana nenti-nanao ny famaizana tao Hôreba. Sady Mpiambina ny olony no Mpanjakany Andriamanitra. Raha nandringana ireo maditra mafy fo Izy, dia nanahy fandrao izy ireny hitarika ny hafa ho any amin'ny fahalevonana. Raha niaro ny ain'i Kaina Andriamanitra, dia ny mba hanehoana ny mety ho vokatry ny heloka votsorana maina, amin izad rehetra ary izao. Avy amin'ny herin'ny fomba fiainany sy ny fampianarana nataony tamin'ny taranany no nipoiran'ny faharatsiam-pitondrantena nahatonga ny fandringanana izao tontolo izao tamin'ny Safodrano. (...) Tsy nampitsahatra ny faharatsiany ny fahari-pon’Andriamanitra; arakaraka ny fahelan'ny andro niainany no nitomboan'ny toetra ratsiny." - PM, tt. 311,312 (пр).
FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra
1. Saintsaino ny amin'ilay fanontaniana any amin'ny faran'ny lesona Alatsinainy. Amin'ny fomba ahoana no mety hiankohofantsika amin'ny voary noforonina, fa tsy amin'ny Mpamorona? Ohatra, ahoana no hahaizantsika mitandrina tsara ny tany sy miaro ny tontolo iainana kanefa tsy mivavaka aminy na manao azy ho sampy?
2. Azo fantarina ny haratsin'ny toe-javatra amin'ny alalan'ny voka-dratsy ateraky ny asa iray na amin'ny alalan'ny fihetsika asetrin'ny olona ilay zava-mitranga. Nahoana i Mosesy no nibaiko ny olona mba hamono ireo izay niziriziry nandà tsy hibebaka ka nanohy ny fikomiany tamin’Andriamanitra sy ny fampianarany?
3. Nahoana no tsy misy endrika fanavotana hafa mety hahazoan'ny mpanota famonjena afa-tsy ny fanavotana amin'ny alalan'ny fisoloana? Nahoana ny tsangan-kevitra rehetra momba ny fanavotana, izay mandà na manamaivana ny fanavotana nisoloan'i Jesôsy antsika teo amin'ny hazo fijaliana, izay fototra lorenan'ny filazantsara, no fahadisoana lehibe ara-teolojia? Vakio ny 1 Pet 2:24. Ahoana no anehoan'io andininy io mazava tsara fa nisolo antsika i Jesôsy ?