Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 13 September 2025

FAMPIDIRANA 

Hodinihina mandritra ny herinandro:  Eks. 33:7-34:35; Deo. 18:15,18; Jao. 17:3; Rôm. 2:4; Jao. 3:16; 2 Kôr. 3:18.

Tsianjery:

"Ary Jehôvah nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: Jehôvah , Jehôvah , Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana, mitahiry famindrampo ho an'ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka sy ny zafy hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika." - Eks. 34:6,7.

Ilaintsika rehetra ny mitombo, eo amin'ny fiarahantsika mandeha amin' Andriamanitra. Raha tsy mitombo mantsy isika dia maty. Hoy ny apostoly Petera: "fa mitomboa amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana an'i Jesôsy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena." - 2 Pet. 3:18. Tokony haniry ny hitombo isika. Mianatra isan'andro ao amin'ny oniversiten'Andriamanitra isika, dia izay tsy misy fanolorana mari-pahaizana fa misy dingam-pianarana maharitra kosa. Eo amin'ny dingam-pitomboana tsirairay, dia azonao atao ny ho tonga tanteraka raha avelanao Andriamanitra hamolavola anao ho tonga araka izay iantsoany anao ao amin'i Kristy.

Eritrereto ny amin'ny sekoly anankiray. Raha mianatra mamaky teny sy manisa hatramin'ny 100 ny mpianatra ao amin'ny kilasy voalohany, dia mahazo naoty hifindrany kilasy satria tanteraka ny fahalalany eo amin'ny dingana sy ny ambaratongam-pitomboana misy azy. Raha izany fari-pahalalana izany ihany anefa no hita ao amin'ny mpianatra iray any amin'ny lisea, dia tsy fahombiazana lehibe eo amin'ny fianarany no tondroin'izany. Tahaka izany koa ny fitomboantsika ao amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana an'Andriamanitra. Azontsika atao ny ho tanteraka eo amin'ny tontolontsika, eo amin'ny dingam-pitomboana tsirairay lalovantsika, tahaka an'i Kristy teo amin'ny Azy.

Hianarantsika amin'ity herinandro ity ny formba nitomboan'i Mosesy, tamin'ny alalan'ny fahafantarany sy ny fanarahany ny torolalan'i Jehôvah , teo amin'ny fiarahany nandeha Taminy.

*Famerenana ny lesona ny sabata 20 Septambra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal