"Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy." – Heb. 11:6.
Mofon’aina:
Maro no tafintohina ka very noho ny fampianaran-dison' ireo mpitandrina sasany momba izay mitranga amin'ny fiovam-po. Nisy olona sasany niaina tao anaty alahelo nandritra ny taona maro, niandry porofo azo tsapain-tanana fa eken'Andriamanitra izy ireo. Nisaraka tamin'izao tontolo izao izy ireo, ary mahita fifaliana amin'ny fiarahana amin'ny vahoakan'Andriamanitra, kanefa tsy sahy manambara an'i Kristy ampahibemaso, satria matahotra fandrao ho fahasahiam-poana ny filazany ny tenany ho zanak'Andriamanitra. Miandry ilay fiovana miavaka mifandraika amin'ny fiovam-po izay nasaina ninoany izy ireo.
Rehefa afaka fotoana voafaritra dia mahazo porofo mivaingana ny amin'ny faneken'Andriamanitra azy tokoa ny sasany, ka dia manaiky ho isan'ny vahoakany. Ary faritany ho izany daty izany no fotoana niovany fo. Naseho ahy anefa fa mialoha io fotoana io no efa natsangana ho isan'ny fianakavian'Andriamanitra izy ireo. Raha vao nahatsiaro ho tofoky ny fahotana sy tsy nahita tsirony intsony tamin'ny fahafinaretan' izao tontolo izao izy ireo, ary nanapa-kevitra ny hitady an'Andriamanitra amin-kafanam-po, dia efa neken'Andriamanitra. Saingy tsy takany ny fahatsoran'ny drafi-pamonjena, ka veriny ireo tombontsoa sy fitahiana maro tokony ho nangatahiny sy azony raha toa ka nino fotsiny izy ireo fa neken'Andriamanitra, fony izy ireo vao nitodika voalohany tany amin'Andriamanitra.
Ny hafa indray latsaka amin'ny fahadisoana mampidi-doza kokoa. Fehezin'ny fihetseham-po izy ireo. Voahetsika ny fangoraham-pony, ka izany fientanentanana izany no raisiny ho porofo fa neken'Andriamanitra sy niova fo izy ireo. Tsy niova anefa ireo foto-kevitra eo amin'ny fiainany. Tsy ao amin'ny fihetseham-po fa eo amin'ny fiainana no ahitana ireo porofon'ny asan'ny fahasoavana marina. Hoy ny fanambaran'i Kristy: "ny voany no hahafantaranareo azy." – Mat. 7:20. (...)
Tsy asa vita eo no ho eo tsy akory ny asan'ny fahasoavana eo amin'ny fo. Fiambenana isan'andro sy mitohy, ary finoana ireo teny fikasan'Andriamanitra no mahatanteraka izany. Ireo mibebaka sy mino, izay maniry fatratra ny fahasoavana manavao avy amin'i Kristy, dia tsy havelan' Andriamanitra hangasihasy. — Ev, tt. 286,287.