"Ary nisy nanatona nitondra ny anankiray mararin'ny paralysisa ho eo aminy, izay nolanjain'efa-dahy. Ary Jesosy, nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao tamin 'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Anaka, voavela ny helokao." - Mar 2:3-5.
Mofon’aina:
laina ny hanatonana akaiky ny olona amin'ny alalan'ny fiezahana I-ataon'ny tena mihitsy. Ho bebe kokoa ny vokatra azo raha ahena ny fotoana lanina amin'ny fitorian-teny fa ampitomboina kosa ny fotoana atokana hanaovana asa mivantana. Tsy maintsy vonjena ny mahantra, karakaraina ny marary, ampaherezina ny malahelo sy ny fadiranovana, ampianarina ny kely fahalalana, toroan-kevitra ny tsy ampy fanandramana. Tokony hitomany miaraka amin'ireo izay mitomany isika, ary hifaly miaraka amin' izay mifaly. Raha ampian'ny hery mandresy lahatra izany, sy ny an'ny fivavahana, ary ny an'ny fitiavan'Andriamanitra, dia tsy maintsy hitondra vokatra ary tsy afaka ny tsy hitondra vokatra izany asa izany.
Tokony hotsaroantsika lalandava fa ny zava-kendren'ny asan'ny dokotera misionera dia ny hampitodika ny lehilahy sy ny vehivavy mararin'ny fahotana ho amin'Ilay Lehilahin'i Kalvary, Izay manaisotra ny fahotan' izao tontolo izao. Raha mibanjina Azy izy, dia hovana hanam-pitoviana Aminy. (...)Ampaherezo izy (ny marary) hametraka ny tenany hokarakarain'Ilay nanome ny ainy mba hahazoany ny fiainana mandrakizay.
Resaho ny fitiavany, lazao ny heriny mamonjy.
Io no adidy ambony sy tombon-tsoa sarobidy ananan'ny dokotera misionera. Ary ny asa mivantana ataon'ny tena no matetika manokatra ny lalana ho amin'izany. (...)
Saiky eo amin'ny tany ama-monina rehetra dia misy olona betsaka izay tsy mbola nitoriana na oviana na oviana ny Tenin'Andriamanitra na nanatrika fanompoam-pivavahana na taiza na taiza. Raha tiana ho tratry ny filazantsara izy ireny, dia tsy maintsy hoentina any an-tokantranony izany. Matetika ny fanamaivanana ny ilainy eo amin'ny ara-nofo no hany lalana ahazoana manatona azy. Ireo mpitsabo misionera izay mikarakara ny marary sy manamaivana ny fahorian'ny mahantra dia hahita lalana betsaka hivavahana miaraka aminy, hamakiana ny tenin'Andriamanitra ho azy, ary hiresahana aminy ny amin'ny Mpamonjy. (...) Ny fitiavana tsy mihevitra ny tenany, asehony amin'ny asa feno fahalemem-panahy tsy mila zavatra, dia hahamora kokoa ho an'ireo mijaly ireo ny hino ny fitiavan'i Kristy. – TMF, tt. 107,108.