"Mihirà fihiram-baovao ho an'i Jehovah; mihirà ho an 'i Jehovah ry tany rehetra. Mihirà ho an Jehovah, misaora ny anarany; Lazao isan 'andro isan 'andro ny famonjeny mahafaly. " – Sal. 96:1,2.
Mofon’aina:
Efa alina vitsivitsy izay, tena sahiran-tsaina aho nandinika ny zavatra azontsika hatao mba hanehoana ny fahamarinana eo anatrehan'ny olona ao amin'ireo tanàn-dehibe ireo. Azontsika antoka fa raha mandre fotsiny ny hafatra izy ireo, dia handray ny fahamarinana ny sasany, ary hampita izany amin'ny hafa.
Milaza amin'ny mpiangona ao aminy ny mpitandrina fa fampianarana mampidi-doza no entintsika aminy, ary raha mandeha mihaino izany izy ireo, dia ho voafitaka sy ho voasarik' io fampianarana hafahafa io. Ho foana ny hevitra mibahana mialoha raha voataonantsika ireo olona ireo hihaino ny fampianarantsika. Mitondra amim-bavaka io olana io isika ary mino fa hanokatra lalana ny Tompo handrenesan'ireo olona amin'izao andro farany izao ny hafatra fampitandremana sy fampianarana.
Indray alina dia toa tao anatin'ny fivoriambe iray aho, izay nandinihana ny momba ireo olana ireo. Dia nisy lehilahy iray marina sy mendri-kaja nilaza hoe: "Mivavaha ianareo mba hananganan'ny Tompo lehilahy sy vehivavy manana talenta mba hanolo-tena ho amin'ny asa. Misy talenta maro eo anivonareo, izay mila fantarinareo."
Soso-kevitra feno fahendrena maro no natolotra tao, dia nisy teny nolazaina, izay toy izao soratako izao ny votoatiny: "Mila jerenareo manokana ny talentan'ny fihirana, izay tokony hokolokoloina; satria ny feon'ny olombelona eo am-pihirana dia anisan'ny talenta nankinin'Andriamanitra tamintsika mba hampiasaina ho voninahiny. Mampiasa betsaka io talenta io, ary mahazo tombony lehibe amin'izany, ilay fahavalon'ny fahamarinana. Ary manjary simba sy ampiasaina amin'ny tsy izy ary manatanteraka ny fikasan'i Satana io fanomezana avy amin'Andriamanitra io, izay natao ho fitahiana ho an'ny fanahy.
"Fitahiana io talentan'ny feo io raha toa ka atokana ho an'ny Tompo hanatanterahana ny asany. Manan-talenta [i Carrie Gribble], saingy tsy omen-danja izany. Tokony hodinihina ny momba azy, dia hahasarika olona maro ny talentany, ka handre ny hafatry ny fahamarinana izy ireo." — Ev, tt. 497,498.