Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aoka hiainana ny fahamarinana.

Daty
Alakamisy 18 September 2025

Aoka hiainana ny fahamarinana "Lazao any amin 'ny jentilisa fa Jehovah no Mpanjaka; ary izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika; hitsara ny olona amin 'ny fahamarinana Izy." Sal. 96:10. 
Totokony ho tonga saozanina ara-panahy ny lehilahy sy ny vehivavy noho ny fifandraisany amin'ny fiangonana, fa tokony hahery, hisandratra, ho mendrika, ary ho vonona ho amin' ilay asa masina indrindra nankinina tamin'ny olona mety maty. Ny hanana tafika tsara ofana, vonona hirotsaka an-tsehatra amin 'ny fotoana rehetra, no tanjon'Andriamanitra. Lehilahy sy vehivavy manaraka tsara ny fitsipi-pifehezana no handrafitra io tafika io, dia olona milefitra eo ambanin'ilay fahefana nanomana azy ireo ho amin'ny fanompoana. 
Tokony hiambina sy hiahy ireo fanahy vonjena, tahaka ny olona tsy maintsy hampamoahina, ny mpiasan' Andriamanitra. Ary mila an'i Kristy mitoetra ao am-pony izy ireo mba hahafahany mambabo fanahy ho Azy. Tsy maintsy mahafoy ny zava-drehetra ho an'Andriamanitra izy ireo, mba hahafahany milaza sy manazava amin'ireo izay iasany fa ilaina ny fahafoizan-tena tanteraka. Aoka tsy hohadinoiny fa mpiara-miasa amin'Andriamanitra izy ireo, ka tsy maintsy mitandrina mba tsy hangataka andro na hisalasala. Tsy mitandro hasasarana i Satana mitady hirika hahazoany mifehy ireo izay ezahin'ny mpiasan'Andriamanitra hobaboina ho an'i Kristy. Amin'ny alalan'ny fiambenana tsy mitsahatra ihany no ahafahan'ireo mpiasan'i Kristy manohitra ny fahavalo. Amin'ny herin'Ilay Mpanavotra irery ihany no ahafahan'izy ireo mitaona izay alaim-panahy ho eo amin'ny hazo fijaliana. Tsy ny fahalalana na ny fahaizana mandaha-teny no hahatanteraka izany, fa ny fanehoana ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra, amim-pahatsorana sy miaraka amin'ny herin'ny Fanahy Masina. (...) 
Tsy natao hotorina am-bava fotsiny ny fahamarinana; tsy maintsy hiainan'ireo izay miasa ho an'i Kristy izany. Manara-maso sy manombana ireo izay mitonona ho mino ireo fahamarinana miavaka ho an' izao andro izao ny olona. Jereny raha maneho an' i Kristy tokoa ny fiainan'izy ireo. Ny fanoloran-tenan 'ny vahoakan 'Andriamanitra hanao soa amin'ny olona rehetra amim-panetren-tena sy fahamarinana, dia hiasa ary hisy fiantraikany amin'izay rehetra mifanerasera aminy. Raha manao tsara izany asa izany ireo izay mahalala ny fahamarinana isaky ny misy hirika azo hararaotina, ka maneho fitiavana sy fahalemem-panahy amin'ny asany isan' andro eo amin'ny faritra misy azy, dia hiseho eo amin'ny fiainany i Kristy. — RH, 2 Jona 1903. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal