"Dia talanjona ny olona tamin 'ny fampianarany, satria nisy fahefana ny teniny." - Lio. 4:32.
Mofon’aina:
Nomena toromarika aho fa arakaraka ny hanakaikezantsika ny farany, dia hisy fivoriana lehibe maro ao amin'ireo tanàn-dehibentsika (...), ka tsy maintsy miomana ny haneho ny fahamarinana mandritra ireny fivoriana lehibe ireny isika. Nanararaotra ny fotoana toy izany i Kristy fony Izy teto an-tany. Na taiza na taiza nisy olona maro nivory, na inona na inona antony, dia re ny feony mazava sy miavaka, mampita hafatra. Dia toy izany no nisian'ny olona an'arivony maro niova fo tao anatin'ny indray andro taorian'ny nanomboana Azy tamin'ny hazo fijaliana sy ny nitsanganany tamin'ny maty. Niorim-paka lalina tao am-pon'ny maro ny voa izay nafafin'i Kristy, ka nitsimoka, ary rehefa nandray ny fanomezan'ny Fanahy Masina ireo mpianatra, dia nangonina ny vokatra.
Nandeha sy nitory ny Filazantsara teny rehetra teny ny mpianatra. Tamin-kery tokoa no nanaovany izany hany ka azon-tahotra ireo mpanohitra azy ireo, ka tsy sahy nanao izay nokasainy hatao raha toa ka tsy tena nitohoka tamin'ny tends ny porofo fa Andriamanitra no miditra an-tsehatra.
Isaky ny misy fivorian-dehibe dia tokony hanatrika eo ny sasany amin' ireo mpitandrintsika. Tokony hanao izay ahazoana mandray fitenenana izy ireo mba hahafahany mampiseho ny fahazavan'ny fahamarinana eo anatrehan'olona maro araka izay azo atao. (...)
Amin'ny fivorian-dehibe rehetra toy izany, dia tokony hisy lehilahy sy vehivavy azon'Andriamanitra ampiasaina manatrika eo. Tokony haparitaka amin'olona toy ny ravin-kazo amin'ny fararano ireo trakta mirakitra ny fahazavan'ny fahamarinana ankehitriny. Ho tahaka ny ravin'ny hazon' aina izay fanasitranana ny firenena maro ireo trakta ireo ho an'ny ankamaroan'ny mpanatrika.
Ampitaiko aminareo izany, ranadahiko, mba hozarainareo amin'ny hafa. Izay mandroso mitory ny fahamarinana dia hotahin'Ilay nanome azy ireo ny andraikitra hitory ny fahamarinana. (...) Tonga ny fotoana, izay tsy mbola nisy hatrizay, tsy maintsy hifohazan'ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito ka hamirapiratany, satria tonga ny fahazavany, ary efa miposaka aminy ny voninahitr ' i Jehôvah. — Ev, tt. 35,36.