Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Namirapiratra ny tavan’i Mosesy.

Daty
Alakamisy 18 September 2025

NAMIRAPIRATRA NY TAVAN'I MOSESY

Vakio ny Eks. 34:29-35. Inona no nahatonga ny tavan'i Mosesy hamirapiratra?

Rehefa avy nampiseho ny toetrany be fitiavana tamin'i Mosesy Andriamanitra, dia nidina teny amin'ny tobin'ny Isiraely i Mosesy, ary namirapiratra ny tavany. Fantatr'i Mosesy ve tamin'ny voalohany fa namirapiratra ny tavany? Tsia, tsy fantany mihitsy. Arakaraka ny anakaikezan'ny olona iray an Andriamanitra no ahatsapany ny tsy fahatanterahany raha oharina amin'ny fahamasinan’Andriamanitra.

Inona ny antony nampisy fiovana teo amin'i Mosesy izay nahatonga ny tavany hamirapiratra? Tsy noho ny fanatrehan'Andriamanitra ihany izany, satria imbetsaka talohan'izao izy no efa niaraka tamin'i Jehôvah nefa tsy namirapiratra ny tavany taorian'ireny fihaonana ireny. Tsy ho namirapiratra koa anefa ny tavany raha tsy teo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra izy. Rehefa takatr'i Mosesy ny fahatsaran'Andriamanitra sy ny halemem-panahiny, ary rehefa nampihanjahanja tanteraka ny maha-izy azy teo amin'Andriamanitra izy noho ny fahatsaran'ny toetran'Andriamanitra, izay vao voaova izy ary namirapiratra ny tavany. Afaka mandalo fiovana ny fontsika sy ny saintsika rehefa milefitra tanteraka amin'Andriamanitra isika ka mamela Azy ho Tompo sy Mpanjakan'ny fiainantsika.

Vakio ny 2 Kor. 3:18. Ahoana ny fomba hanovan'i Jesôsy anao tsikelikely ho amin'ny fanahafana ny endriny?

Ampitahain'i Paoly amin'i Jesôsy Kristy ny tavan'i Mosesy namirapiratra; ambarany koa fa ny voninatr'i Jesôsy (izay naneho teo amin'ny Tenany ny Lalàn’Andriamanitra sy ny Fahasoavany) dia mihoatra lavitra noho ny voninahitry ny lalàna nomena an'i Mosesy. Ny fibanjinantsika an'i Jesôsy (Heb. 3:1; Heb. 12:2) sy ny herin'ny Fanahin'Andriamanitra ihany (2 Kôr. 3:12-18) no hahatonga an'i Kristy sy ny Lalàny ho voasokitra ao amin'ny toetrantsika.

Modely ho antsika i Mosesy, izay maneho ny zavatra azon Andriamanitra atao ho antsika rehefa avelantsika Izy hanova ny toetrantsika sy hamolavola antsika hanahaka ny endriny masina. Izany no tian'i Paoly hambara raha niresaka momba ny fandehanana "amin'ny fiainam-baovao" izy (Rôm. 6:4).

Lafiny inona eo amin'ny fiainanao no tokony haneho taratra bebe kokoa ny toetran'Andriamanitra? Azo heverina fa ny lafiny rehetra; sa tsy izany? Manome fampaherezana anao sy toky ho amin'ny famonjena kosa ny fifantohana amin'ny hazo fijaliana sy ny hevitr'izany: amin'ny fomba ahoana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal