Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny fanatitra sy ny Fanahy Masina.

Daty
Alatsinainy 22 September 2025

NY FANATITRA SY NY FANAHY MASINA

Vaklo ny Eks. 35:4-36:7. Inona ny lesona lehibe voalaza eto ho antsika ankehitriny?

Nila akora sarobidy maro isan-karazany ny fanorenana ny tabernakely, ary ny fanomezana tamim-pahalalahan-tanana avy amin'ny vahoakanı'Andriamanitra no nahavitana izany. Fanomezana avy amin'ny fon'izy ireo izany, nomeny an-tsitrapo sy tamim-pifaliana, Volamena, volafotsy, varahina, lamba rongony fotsy madinika, vatosoa sarobidy, lamba manokana tsy misy mpanana, hazo akasia, menaka oliva, zava-manitra, ary zavatra maro hafa nilaina, no nomen'izy ireo. Nanao asa tanana maimaimpoana koa ny olona, satria nisy fanaka manokana maro nilaina notefena araka ny fahaiza-manaony kanto sy feno fitandremana, teo amin'ny lay na ny fanaka tao anatiny. Ary tsy maintsy nanenona akanjo ho an'ny mpisorona sy ny mpisoronabe koa, izay hanao fanompcana ao amin'ny tabernakely, ireo mpanjaitra. Akanjo feno tsipirian-javatra izany; misy saron-tratra ny akanjon'ny mpisoronabe, ary nasiana hamama teo an-dohany.

Fitahiana lehibe no narotsak'Andriamanitra tamin'ny Isiraelita tamin'ny alalan ireo fanomezana nomen'ny Egyptianina azy, teo am-piaingany hiala ny tany Egypta. Tonga izao ny fotoana hanoloran'izy ireo fanati-pisaorana noho nitondran Andriamanitra azy tamim-pamindrampo sy sandry mahery, ary voahetsika ny fon'izy ireo hanatanteraka io asa io ho voninahitr'Andriamanitra.

Nanolotra tamin-kafaliana sy fahalalahan-tanana tokoa ny olona, hany ka nilazana i Mosesy hoe: "Ny olona mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavita ny fanompoana" Eks. 36:5. Koa tsy maintsy nampitsahatra ny fanomezan'ireo i Mosesy, satria "ny zavatra efa nateriny dia ampy hanaovana ny asa rehetra" tamin'ny fanorenana ny tabernakely." - Eks. 36:7.

Tamin'ny alalan'ny fitarihan'ny Fanahy Masina no nanomezan Andriamanitra fitaovana sy hery ny olona, hahaizany manorina tsara ny tabernakely araka ny tsipiriany rehetra. "Efa nofenoina ny Fanahin'Andriamanitra (...)" - Eks. 35:31 i Bezalila sy i Ohollaba ary ny hafa, izay midika fa nomena fahaizana, fahendrena ary fahalalana amin'ny lafiny zava-kanto izy ireo mba hanaovana ny asa rehetra araka ny tokony ho izy. Tetikasa goavana izany ary tsy maintsy notanterahina araka ny modely nasehon Andriamanitra an'i Mosesy.

Zava-dehibe ny hoe: nifandray tamin'ny fanomezana ny Fanahy Masina ny fahaiza-manao sy ny talenta samihafa nananan'ny olona, izay nila nampiasaina tamin'ny fanorenana ny tabernakely. Tsy resaka majika tsy akory ny famenoana Fanahy Masina ny olona, ary tsy midika izany fa misy hery ara-panahy manokana ao anatin'ny olombelona. Ho fampandrosoana ny asan'Andriamanitra sy hahatanteraka ny iraka nampanaovina azy ireo, dia Andriamanitra no manome hery ny mpanara-dia Azy hanatrarana ny tanjony sy hanaovana tsara ny asa.

Inona avy Ireo fanomezam-pahasoavana noraisinao reheta nofenoina ny Fanahy Masina ianao? Tsarovy fa mety hiroborobo ny fanomezam-pahasoavana reheta kolokolaintsika eo amin'ny flainantsika ireo vokatry ny Fanahy (Gal. 5:22,23).

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fampidirana.
Sun 07 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Tsy fahaiza-mitondra.
Mon 08 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fanompoan-tsampy sy ny faharatsiana.
Tue 09 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Efa nanao ratsy ny olonao.
Wed 10 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fahatezeran’Andriamanitra ara-drariny.
Thu 11 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Vavaka fanelanelalana
Fri 12 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fianarana fanampiny’
Sat 13 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana
Sun 31 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Ny boky sy ny rà.
Mon 01 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Mahita an’Andriamanitra.
Tue 02 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Hery ho enti-mankatò.
Wed 03 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Eo anivon’ny vahoakany.
Thu 04 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Feno ny Fanahin’Andriamanitra.
Fri 05 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fianarana fanampiny
Sat 06 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fampidirana.
Sun 21 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny sabatan’i Jehôvah.
Mon 22 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny fanatitra sy ny Fanahy Masina.
Tue 23 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Voaorina ny tabernakely.
Wed 24 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny fanatrehan’Andriamanitra tao amin’ny Tabernakely.
Thu 25 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Nonina niaraka tamin’ny olombelona i Jesôsy.
Fri 26 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal