Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miavaka amin'izao tontolo izao

Daty
Alahady 21 September 2025

"Fa hianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjakà-mpisorona, firenena masina, olona nalain'Andriamanitra ho an 'ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran 'Ilay niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga." - 1 Pet. 2:9.

Mofon’aina:
Hitantsika mazava tsara, rehefa mamaky ny Tenin' Andriamanitra isika, fa tokony hiavaka manokana amin'ny tontolo tsy mpino manodidina azy ny vahoakan'Andriamanitra. Sady mahaliana no mampahatahotra ny toerana misy antsika; ilaintsika izay velona amin'izao andro farany izao tokoa ny manaraka ny ohatr'i Kristy sy ny mandeha araka izay nandehanany koa! "Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handa ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy." – Mat. 16:24. Tsy ny hevitra na ny fahendren'ny olona mety maty no tokony hitarika na hifehy antsika. 
Tsy manan-trano na harena eto ny mpanompon'i Kristy. Enga anie ho takatr ' izy rehetra fa noho ny fiandrianan'ny Tompo no ahafahantsika monina eto amim-piadanana sy filaminana, anivon'ny fahavalontsika. Tsy zontsika ny mitaky ireo tombontsoa eto amin'izao tontolo izao. Mila manaiky ny fahantrana sy ny fanamavoana ataon'ireo lehilahy sy vehivavy manodidina antsika isika, mandra-pahatapitry ny ady sy hahazoantsika ny fandresena. Antsoina hivoaka sy hiala amin'ny fisakaizana amin' izao tontolo izao sy ny toe-tsainy ireo izay an'i Kristy. Voafidin'Andriamanitra sy ankasitrahany izy ireo, ary izany no tanj any sy heriny. (...)

Efa ho masaka ho amin'ny fandrin-ganana azy izao tontolo izao. Tsy haharitra ela amin'ny mpanota intsony Andriamanitra. Tsy maintsy hisotro ny kapoakan'ny fahatezerany tsy miharo famindrampo izy ireo. Hiavaka ireo izay ho mpandova an'Andriamanitra sy mpiara-mandova lova mandrakizay amin'i Kristy. Hiavaka tokoa, hany ka hasian ' Andriamanitra marika eo aminy fa Azy izy ireo, Azy manontolo. Heverinareo ve fa horaisin'Andriamanitra sy homeny voninahitra ary ho fantany ireo izay mifangaro tanteraka amin'izao tontolo izao, ka ny anarany fotsiny no mampiavaka azy? Vakio indray ny Tit. 2:13-15. Tsy ela dia ho fantatra izay miandany amin'ny Tompo, izay tsy ho menatra an'i Jesosy. Ireo izay tsy manana risi-po hijoro an-kitsimpo amin'izay iandaniany eo anatrehan'ny tsy mpino, ka tsy miala amin'ny fanaon'izao tontolo izao, ary tsy manaraka ny oha-piainan'i Kristy feno fandavan-tena, no menatra Azy sy tsy tia ny ohatra nasehony. — TFC, b.1, tt. 286,287.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal